Miomana Handràra Tanteraka Ny Mpanohitra Politika i Kazakhstan

Parlemanta Kazakh ao Astana. Creative commons.

Tsy dia mahaliana loatra ao Kazakhtan tsirefesimandidy ny mpanohitra ara-politika, izay lehilahy iray hatrany no teo amin'ny fitondrana nandritra ny ampahefatry ny taonjato, saingy napetraka ny volavolan-dalàna nomanin'ny parlemanta ao amin'ny firenena mba hahatonga ny toe-draharaha ho fantatra mialoha kokoa.

Mandinika volavolan-dalàna mety handràra ireo kandidà tsy miankina tsy hirotsaka hofidiana filoham-pirenena ny parlemanta ankehitriny. Ny volavolan-dalàna neken'ny majilis (antenimieram-pirenena) tamin'ny 24 May dia natao mba hanafoana ny “kandidà tsy matotra”, araka ny filazan'ny Minisitry ny Fitsarana, Marat Beketaev.

Maneho ny fahatanterahan'ny tetikady napetraky ny governemanta Kazakh hatramin'ny fahaleovan-tena tamin'ny taona 1991 ny lalàna. Ao anatin'ny fitsipika, esorina alohan'ny fanatanterahana ny fifidianana ireo kandidà mpanohitra tena izy. Ny fanamboamborana trangan-heloka bevava sy ny fanagadrana ireo kandidà mpanohitra mety hirotsaka hofidiana no fomba mahazatra indrindra tamin'ny lasa. Rehefa lany ny lalàna, tsy voatery hampiasa andrana tahaka izany intsony ny manampahefana.

In a country where there's only one ruling party that belongs to the incumbent president and other parties support him there can be no alternative.

Tsy misy ny safidy hafa ao amin'ny firenena izay ny antokon'ny fitondran'ny filoha ankehitriny ihany no misy ary manohana azy ny antoko hafa

Tsy misy antoko ao anatiny

Zava-dehibe ny lalàna satria efa nametraka fanamby ho an'ny hetsiky ny mpanohitra  ny Minisiteran'ny Fitsarana mba hisoratra anarana amin'ny fomba ofisialy ho antoko politika na fikambanam-bahoaka. Ny tranga lehibe indrindra dia ny fandavana tsy hanoratra ny anaran'ny antoko mpanohitra voaràra ‘Alga’ (Mandroso), izay tany am-ponja nandritra ny dimy taona ny filohan'ny antoko, Vladimir Kozlov, noho ny “fikasana hanongana ny governemanta”, ary navotsotra miaraka amin'ny fepetra tatỳ aoriana. Manohana ny fitondrana ankehitriny ny antoko rehetra ao amin'ny parlemanta Kazakh. Nofoanana noho ny didim-pitsarana mampiadihevitra tamin'ny taona 2015 ny antoko tsy miankina hafa, ny Antoko Komonista ao Kazakhstan.

Mety novolavolaina tamin'ny fieritreretana ny mpanohitra menavazana iray hafa ny Filoha Nursultan Nazarbayeva ny lalàna. Nilaza ny fikasany hanongana an'i Nazarbayev sy hamerina an'i Kazakhstan ho demaokrasia parlemantera ilay tompon'ny banky nandositra sady minisitry ny angovo teo aloha Mukhtar Ablyazov, izay notsaraina tamin'ny fiampangana namboamboarina, fitsarana tsy natrehiny tao Kazakhstan.

Noheverina fa nonina an-tsesitany tany Frantsa i Ablyazov taorian'ny fandavan'ny Conseil D'Etat, mitovy amin'ny Fitsarana Tampony ao Frantsa, tamin'ny alalan'ny didim-pitsarana ny fandroahana azy ho ao Rosia, tamin'ny Desambra 2016.

Voampanga ho mampiasa an'i Ablyazov mba hanampenam-bava ireo hafa mpitsikera ny governemanta tsy misy ifandraisany aminy [Ablyazov] ny manampahefana Kazakh. Mpanao gazety tsy miankina Zhanbolat Mamay, ohatra no nampidirina am-ponja amin'izao fotoana izao ary miandry fitsarana noho ny fiampangana fa nandray famotsiam-bola avy amin'i Ablyazov tamin'ny alalan'ny gazety Tribuna iasany. Efa nilaza izy fa tsy mitombina ny fiampangana azy.

Misy ihany koa ny tombantombana fa miomana hamindra ny fahefany any amin'ny mpandimby azy izay hanohy ny fitondrany i Nazarbayev, 76 taona, izay lazain'ny mpanohitra fa jadona sy misy kolikoly goavana.

Mpisera Facebook, Alibek Tukenov nilaza fa mametra ny zon'ny olom-pirenena tsy handray anjara amin'ny fifidianana malalaka sy mangarahara ny volavolan-dalàna.

There is already a pretty good mechanism to rule out “non-serious” candidates. It is called voting. Voting and running for elections is one of the fundamental rights enshrined in the Constitution of our country. Restricting this right by claiming that someone might use it for PR purposes is nonsense and serves to help lobby the interests of certain parties.

Efa misy ny rafitra tsara hanesorana ireo kandidà “tsy matotra”. Antsoina hoe latsabato izany. Ny latsabato sy ny firotsahana hofidiana amin'ny fifidianana no iray amin'ireo zo fototra tokony holalaina ao amin'ny Lalàmpanorenana eto amin'ny firenentsika. Tsy misy dikany ny famerana izany zo izany amin'ny alalan'ny filazana fa misy olona mety hampiasa azy io ho amin'ny tombontsoan'andian'olona sasany .

Nilaza i Erlan Kaliev, mpanohitra fa mametraka sakana iray somary lehibe ho an'ny kandidà mpanohitra ny Lalàmpanorenana, mahatonga ny lalàna ho tsy ilaina.

Does this mean that the Parliament doesn't trust the Central Election Commission? It is already written in the Constitution that in order to avoid “non-serious” candidates, that each one must have the support of at least 1% of all voters.

Midika ve izany fa tsy matoky ny Foiben'ny Vaomieram-Pifidianana ny Parlemanta? Efa voasoratra ao amin'ny Lalàmpanorenana fa mba hisorohana izay kandidà “tsy matotra, tokony manana ny fanohanana 1% fara fahakeliny avy amin'ny mpifidy rehetra ny tsirairay.

Nazarbayev no nandresy indray tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2015 miaraka amin'ny vato 97.7% . Na izany aza, tsy nisy mpanara-maso fifidianana iraisampirenena malaza nankasitraka ny fifidianana Kazakh ho malalaka sy ara-drariny. Amin'ny ankapobeny, manohana ampahibemaso ny politikan'i Nazarbayev ireo “mpanohitra” azy lehibe indrindra ao anatin'ny vatom-pifidianana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.