· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Jona, 2017

Iran: Fisamborana sy Fandravàna

Nanohy ny politikany momba ny famoretana mihatra amin'ireo mpikatroka ny zon'ny vehivavy sy ny Silamo Sufi ny governemanta Iraniana tato anatin'ny herinandro vitsivitsy. Nosamborina andro vitsy lasa izay i Maryam Hosseinkhah, mpikatroka ny zon'ny vehivavy sady mpanao gazety, ary noravan'ny mpitandro ny filaminana ny Foiben'ny Silamo Sufi.

Afganistàna: Nohelohina Ho Faty Fa Nizara Lahatsoratra Avy Taminà Bilaogy

(Fanamarihana: Lahatsoratra tamin'ny Janoary 2008) Ny Fikambanan'ireo Afgàna Mpanoratra Bilaogy (Afghan Penlog), vondrom-piarahamonina iray natsangan'ny andianà bilaogera Afgàna mpikatroka, dia nilaza ny tebitebiny lalina momba ilay tanora bilaogera sady mpanao gazety, Sayed Parwiz Kambakhsh, izay nahazo fanamelohana ho faty avy amin'ny fitsaràna iray ao an-toerana. Mpitatitra vaovao isankerinandro tao amin'ny...