· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Oktobra, 2018

WSIS: Miaro ny Fahalalahana Maneho Hevitra any Tonizia

  23 Oktobra 2018

Na dia teo aza ny fahasarotana natrehana, voakarakaranay ihany ny semineranay ''Fanehoankevitra Ambany Famoretana'' taty amin'ny Fivoriana An-tampony ho an'ny Aterineto sy ny Fiarahamonina. Tena noho ny hazondamosina matanjaka ananan'ireo mpanohana anay izany, ny ONG Nerlandey Hivos, izay nanilika ilay vondron'ny polisy nanao fitafin'olontsotra izay niezaka ny nanakana anay

Azerbaidjan: Ireo Haino Aman-Jery Miaro Ireo Mafana Fo Sy Blaogera Voatazona Am-Ponja

  23 Oktobra 2018

Na dia saika hita ao amin'ny Facebook avokoa aza ny ankamaroan'ny hetsika rehetra izay mbola hanohizan'ny mpampiasa aterineto ny fifampizaràna lahatsary ahitana ilay blaogera Adnan Hajizade sy ilay tanora mafana fo Emin Milli, notanana am-ponja herinandro lasa izay ary voaheloka higadra roa volana an-tranomaizina alohan'ny hitsarana azy, zara raha nisy hetsika vitsivitsy hita teny amin'ny filazambaovao mahazatra, kanefa efa miova izany amin'izao fotoana izao. Na izany aza, ny filazambaovaon'olontsotra aloha no tena mbola loharanom-baovao.

Shina : Afaka manafina ny afo ve ny taratasy ?

  22 Oktobra 2018

Avy tamin'ireo afomanga nalefa nandritra ny fankalazana ny Fetin'ny Harendrina (元宵) ilay fahamaizan'ilay fanitarana ireo toerana hisy rahatrizay ny Fahitalavitra Foibe ao Shina (CCTV) tamin'ny omaly alina (ny 9 febroary 2009). Na dia voina tsy nampoizina aza ilay fahamaizana, nanapa-kevitra ny ''hampifanaraka'' (hanasivana) ilay vaovao ihany ny Departemantan'ny propagandy.

Filipina : Ny Tranga ”Juana Change” ao amin'ny Youtube

  22 Oktobra 2018

Ireo lahatsary fanesoana ara-politika ‘Juana Change' no zavatra manaitra farany ao amin'ny Youtube ao Filipina. Nampiakarina an-tambajotra tamin'ny volana farany teo ireo lahatsary [amin'ny teny filipianina] ireo rehefa nanohitra ny tolokevitra fanovana ny Lalàm-panorenan'i Filipina ireo vondrona mpikatroka ara-politika maro