· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Oktobra, 2018

Gonu no Lazan'i Koety !

(2007) Sahobakaka ambody riana ireo blaogera Koetiana, niandry ireo vaovao mikasika ilay rivodoza mandravarava Gonu, izay nahafaty olona teo amin'ny dimampolo tao amin'ny tanàna mpifanolobodirindrina amin'i Oman. Milaza amintsika ny fomba nanehoan'izy ireo ny hatezerany noho ny fanontàna iray navoakan'ny gazety teny an-toerana, izay nikendry ny handoto ny lazan'ny firenen'izy ireo i Abdullatif AlOmar, izay mamerina mijery ireo blaogy rehetra.

Shina: Aza adino ny anaran'izy ireny

  25 Oktobra 2018

Nofihazan'ireo manampahefana shinoa ho anaty boaty mainty, toy ireo tsiambaratelom-panjakana, ny isan'ireo mpianatra namoy ny ainy tamin'ilay horohorontany tao Wenchuan tamin'ny 12 mai 2008...Maninona no tsy manao ezaka mihitsy na kely aza mba hananganana lisitra iray misy ireo ankizy mahantra tradoza ireo? Ho soa ho an'ny firenena? Firenena toy inona no manao tahaka izany? Ho an'ny tombontsoan'ny vahoaka hoe? Olona toy inona no mety ho tia an'izany?

Zimbaboe: Tombony azon'ny tsenambola, fivoriana ara-pivavahana natao am-pilaminana, ary tetika fanararaotra ara-toekarena

  24 Oktobra 2018

''Satria miha mahantra lalandava ny mahantra, hiha-manana fotsiny kosa ireo manan-karena ao Zimbaboe. Ao anatin' ity lahatsoratra ity, mamaritra ny fomba nitomboan'ny tsenambolan'i Zimbaboe ho 12 000 % raha oharina amin'ny tamin'ny taona lasa i Mugabe Makaipa satria lasa tafiditra ho anisan'ireo toerana vitsy azo antoka tsy dia fahita firy ary azo iarovana ny vahoaka tsy hiharan'ny fitongonganan'ny sandambola izy.''