Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Aogositra, 2018
Kenya: Hanohitra Sa Tsy Hanohitra?
Voazarazara be loatra avy ao anatiny ny ankamaroan'ny firenena, mba tsy ho lasa loharanonà adintsaina ho an'ny ankamaroan'ireo mpitondra ny fifanarahana fikomiana hanoherana ny governemanta...Hanohitra sa tsy hanohitra? Io no fanontaniana. Tohin'ny andraikitra noraisin'ny media sosialy Twitter tao anatin'ireo fihetsiketsehana toniziana sy ejiptiana, miady hevitra eo amin'ny Twitter ireo keniana ny amin'ny hakàna tahaka an'ireo fihetsiketsehana ireo na tsia. Ireo tenifototra #KenyaFeb28 and #ChoosePeace no fironana eo amin'ny Twitter.
Didim-pitsarana miavaka tao Angola, manafaka ilay mpanao gazety Rafael Marques tamin'ny fiampangana rehetra

Raha efa nentina teo anoloan'ny fitsarana tamin'ny raharaha teo aloha i Marques, ity no voalohany nanafahana azy madiodio tamin'ny fomba ofisialy.
Hong Kong: CCTVB Tsia!
Olona maherin'ny 150 000 no nivory tamin'ny 4 jona lasa teo tao Hong Kong, tao anatiny sy manodidina ny kianja Victoria mba hankalaza ny faha-20 taonan'ilay fandripahana tao Tiananmen tamin'ny 1989....maherin'ny antsasak'ireo gazety eo an-toerana sy ireo fantsona fahitalavitra izay tena malaza indrindra no nanapaka hevitra ny hanao tsinontsinona ilay hetsika.
Namily lalana tamin'ny fomba tsy ara-dalàna zotran'ny fampiasa Telegram ny orinasam-pifandraisandavitra ao Iran

Tao anatin'ny hetsika vaovao ikendrena hanerena ny fandraràna avy amin'ny fanjakana ny fampiasa fampitan-kafatra Telegram, dia nanodina vonjimaika ny zotran'ny fampiasa Telegram ny Orinasam-pifandraisandavitra ao Iran (TCI) tamin'ny 30 jolay, ary fanitsakitsahana mivantana ny lalàna ao an-toerana izany.
Shina: Ny Zo Tsy Hatahotra
Tsy voatery hiankina amina herisetra ny fampitahorana. Ampy ny fampitomboana fotsiny ny sandan'ny fikatsahana ny fitsaràna. Ary koa, tsy dia ilaina akory aza izany. Raha vao mazava fotsiny fa azo ampiana ny vesatr'io sarany io na rahoviana na rahoviana, ampy izany handresena lahatra antsika tsy hetsika.
Shahidul Alam, mpaka sary fanao an-gazety Bangladeshita nohazonina noho ny fitantarana ny fihetsiketsehan'ny mpianatra

"...Androany aho teny an-dalambe nahita olona nitondra antsilava mihaza ireo mpianatra tsy mitondra fitaovam-piadiana. Ary mijery fotsiny eo akaiky eo ny polisy."
Maneho fitomboan'ny fandrahonana mpanao gazety ao Okraina ny fanafihana nataon'ny mpiambina ny kaominina

Nanafika vondrona mpanao gazety tamin'ny etona mandatsa-dranomaso sy kibay fingotra ireo mpiambina ny tanàna ao Odessa.
Ouzbékistan: Manohana an'i Umida Akhmedova ireo bilaogera
Ny Global Voices dia efa namoaka lahatsoratra momba ilay mpaka sary Ozbeka Umida Akhmedova izay voampanga ho "nanompa sy ny nanaratsy ny vahoaka sy ny fomba amam-panao Ozbeka." Niteraka fahatezerana teo amin'ny mpanao gazety vahiny, mpaka sary sy ny mpisera miteny Rosiana ity fiampangana ity.