Didim-pitsarana miavaka tao Angola, manafaka ilay mpanao gazety Rafael Marques tamin'ny fiampangana rehetra

Rafael Marques de Morais | Lanonana Fizaran-doka Allard 2015 | Wikimedia Commons | CC-BY-SA 3.0

Noafahan'ny fitsarana tao Luanda tamin'ny fiampangàna faniratsirana ny fanjakana Angoley ilay mpanao gazety Rafael Marques sy ny mpamoaka lahatsoratra Mariano Brás, izay zavatra heverin'ny maro fa dingana lehibe ho amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny firenena.

Voampanga tamin'ny Jona 2017 i Marques taorian'ny famoahana lahatsoratra tamin'ny oktobra 2016 milaza fa niditra tamin'ny fifampiraharahana kolikoly ny mpampanoa lalàna João Maria de Souza teo aloha mba hahazo tany amoron-dranomasina izay hananganany tranobe fonenana. Ny lahatsoratra dia navoaka tao amin'ny vohikalam-baovao tsy miankina Maka Angola, izay i Marques ihany no mpanorina azy sy tonia.

Niatrika fiampangana mitovy amin'izany i Mariano Brás, lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny gazety O Crime, izay namoaka ny lahatsoratra an-gazety. Voampanga ho “nanala baraka andry fiandrianam-pirenena” ihany koa i Marques noho izy voalaza fa naniratsira ny filoha teo aloha José Eduardo dos Santos tao anatin'izany lahatsoratra izany.

Tamin'ny fotoam-pitsarana farany tamin'ny 6 jolay, nilaza ilay mpitsara Josina Falcão, izay nitarika ny raharaha tao amin'ny Fitsarana Ambony ao Luanda, fa “nanatanteraka fotsiny ny adidiny mampahafantatra” ireo mpanao gazety ary nanaisotra ny fiampangana rehetra tamin'izy roalahy izy.

Na dia tsy vao voalohany aza i Marques no notoriana teny amin'ny fitsarana noho ny asany amin'ny fanaovan-gazety, dia ity no azo antoka fa fotoana voalohany izay nanafahan'ny Fitsarana Ara-paritra Luanda azy – nahazo sazy mihantona fotsiny izy tamin'ireo raharaha teo aloha.

Navoakan'ireo fampahalalam-baovao isan-karazany sy ny mpikatroka tao amin'ny media sosialy ny vaovao avy eo. Ity no iray amin'ireo raharaham-pitsarana ambony voalohany nandritra ny governemantan'i João Lourenço, izay nandimby ny filoha teo aloha naharitra ela José Eduardo dos Santos tamin'ny Septambra 2017.

Mpikatroka Angoley, Luaty Beirão, izay nanatrika ny fitsarana, nisioka hatrany hatramin'ny fotoana namoahana ny didim-pitsarana:

“Fahatakaran'io fitsarana io izany fa misy ny fahamarinana ao amin'ny lahatsoratra navoakan'ny voampanga ary tsy nanao afa-tsy ny fanatanterahany ny adidiny amin'ny fampahafantarana ny vahoaka izy. Tsy mahita isika fa nisy ny fikasana hanala-baraka ny mpitory “.

Sioka voalohany: “Voaporofo nandritra ny fotoam-pitsarana fa feno tsy fanarahan-dalàna ny dingana fahazoana tany, niavian'ny lahatsoratra navoakan'ny voampanga izay nahatonga ny raharaha nifarana androany”. Fehin-kevitra? Iza no nanao heloka bevava? Iza no tokony hogadraina? Ny mpitondra hafatra?

Sioka faha-2: Ny andro famoahana ny sazy

Sioka voalohany: “Taorian'ny adiny telo namakiana izay hita fa fanohanana asa-karoka doktorà, tonga tamin'ny ampahany mahaliana izahay: Mariano Brás, tsy manan-tsiny tamin'ny fiampangana rehetra.

Sioka faharoa: “Mahatakatra ny fitsarana fa diso isika raha, amin'ny maha-fiarahamonina te-hivoatra, nanapa-kevitra hanasazy mpampita vaovao ratsy isika. Amin'ny fakàna ny asam-bahoaka [asampanjakana ambony], ilaina ny zatra dinihana sy tsikeraina. Raha tsy mahazaka hafanana ianao, dia tsy afaka miasa ao an-dakozia”

Taorian'ny fotoam-pitsarana, nilaza i Marques izay nahazo loka tamin'ny World Press Freedom Hero avy amin'ny Ivo-toerana Iraisam-pirenena ho an'ny Gazety tamin'ny taona 2018 fa “manan-tantara” ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. Nanome toky ny vahoaka izy fa “hanohy hiampanga ireo rehetra izay manimba ny firenena”.

Fanombohana vaovao ho an'i Angola?

Manantena kosa ireo fikambanana fiarahamonim-pirenena sasany fa manamarika ny fiandohan'ny vanim-potoana vaovao ho an'ny fahalalahan'ny gazety ao amin'ny fitsarana ao Angola ny fanapahan-kevitry ny fitsarana mankatoa ny tsy maha-meloka an'i Rafael Marques.

Tamin'ny antsafa niarahana tamin'ny DW África, nilaza i Alexandre Solembe, filohan'ny Ivo-toerana ho an'ny Fifandraisana Ara-tsosialy ao Atsimon'i Afrika atsimo ao Angola fa tsy misalasala izy fa mety ho hafa ny vokany raha mbola teo amin'ny fahefana i José Eduardo dos Santos, filoha Angoley teo aloha.

Nandritra ny fitondran'ny filoha teo aloha, maro ireo tranga fanorisorenana mpanao gazety sy mpikatroka izay nitsikera ny governemanta.

Tahaka izany koa, faly tamin'ny vaovao ny Federasiona Afrikan'ny Mpanao Gazety, fikambanana izay mampivondrona ireo matihanina amin'ny fifandraisana ara-tsosialy avy amin'ny kaontinanta:

Miarahaba amin'ny famotsorana an'i Rafael Marques sy Mariano Bras tamin'ny 6 jolay ny FAJ, ary miantso ny manampahefana #Angola handinika ny Lalànan'ny Media mba tsy hanameloka bevava ny fanalàmbaraka, ary hametraka tontolo manohana ny mpanao gazety amin'ny asany

Ho an'ny Human Rights Watch, fandresena ho an'ny fahalalahan'ny gazety izany, araka ny nasongadin'ilay mpikaroky ny fikambanana, Zenaida Machado:

The unexpected ruling is a victory for freedom of the press in a country where the media has been on a tight leash, with authorities often repressing coverage of cases of corruption involving government officials, through intimidation and abusive use of defamation laws. Following today’s historic court ruling, the Angolan government should now go further and seek to amend the 2017 media law so that journalists are able to do their jobs in a free environment.

Fandresena ho an'ny fahalalahan'ny gazety ny fanapahan-kevitra tsy nampoizina tao amin'ny firenena izay mpanasazy ny media, ahitana manampahefana matetika manasazy ny fitantarana tranga kolikoly mahakasika manampahefam-panjakana amin'ny alalan'ny fandrahonana sy fampiasana tafahoatra ny lalàna mifehy ny fanalam-baraka. Taorian'ny fanapahan-kevitra manan-tantara navoakan'ny fitsarana androany, tokony handeha lavitra ankehitriny ny governemanta Angoley mba hanova ny lalànan'ny media 2017 mba ahafahan'ny mpanao gazety manao ny asany ao anatin'ny fahalalahana.

Nankasitraka ny raharaha ihany koa ny tambajotra Afrikanin'ny mpitati-baovao, RSF Afrika, nilaza fa marika tsara ho an'ny asa fanaovan-gazety fanadihadiana izany:

#Angola: Faly ny #RSF mahafantatra fa afaka madiodio tamin'ny 6 Jolay i Rafael Marques sy Mariano Bras, saingy mangataka amin'ny manampahefana mba “hanova ny lalàna henjana momba ny gazety” izay mandrahona ny fahalalahana hamoaka vaovao

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.