Hong Kong: CCTVB Tsia!

(Fanamarihana: lahatsorara anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2009)

Olona maherin'ny 150 000 no nivory tamin'ny 4 jona lasa teo tao Hong Kong, tao anatiny sy manodidina ny kianja Victoria mba hankalaza ny faha-20 taonan'ilay fandripahana tao Tiananmen tamin'ny 1989. Isa tena betsaka indrindra no voarakitra, izay nihoatra lavitra noho ny tamin'ireo fihetsiketsehana teo aloha hatramin'ny taona 1990, mampiseho amin'izao tontolo izao fa tsy nihataka tamin'ny fangatahany ny hanekena ny 4 jona 1989 ireo olona avy ao Hong Kong. Kanefa, maherin'ny antsasak'ireo gazety eo an-toerana sy ireo fantsona fahitalavitra izay tena malaza indrindra no nanapaka hevitra ny hanao tsinontsinona ilay hetsika.

Ny 5 jona, namerina namoaka ny sasany tamin'ireo lohatenin-gazety malaza indrindra teo an-toerana indray ny blaogy ESWN (Blog Atsinanana Atsimo Andrefana Avaratra). Tamin'ireo gazety shinoa 13, ny 4 monja tamin'ireo no nametraka  ilay fisaonana nandrehetaka fanàla ho teo amin'ny pejy voalohany. Nataon'ny Headline News sy Sing Pao ho lohateny lehiben-dry zareo ny mikasika ny fahafatesan'ilay shinoa mpilalao antsehatra Sek Kin ; nanolotra tafatafa nifanaovana tamin'ilay ho Filoha Tale Jeneralin'ny tesnambolan'i Hong Kong ny Hong Kong Commercial Press sy ny Hong Kong Economic Journal – nasongadin'ny Sing Tao, Hong Kong Daily News, Oriental Daily sy ny The Sun ireo tantaran'ny kileman'ireo tanora – ny fidorohana rongony tafahoatra sy fivarotantena. Nanisy teboka mikasika ireo politikan'ny governemanta shinoa momba an'i Hong Kong i Wen Wei Po.

Eto ambany ireo lohateny lehibe tamin'ireo gazety efatra  malaza (avy amin'ny ESWN):

june 4 2009

Ny hazondamosin'i Shina, voalohany indrindra teoo amin'ny tantara: olona 200 000 no nankalaza tao anatin'ny alahelo an'ireo trangan-javatra tamin'ny 4 jona

 

she kin

Fahafatesan'i Sek Kin noho ny aretina nahazo azy

 

stock exchange

Li Xiaojia : tsy maintsy mizatra ny tsenan'i Hong Kong, araka ny voalazan'ireo shinoa mpampiasa vola

youth drug abuse

Mpianatra telo tsy nahatsiaro tena rehefa avy nidoroka kétamine tao anaty kianja

Ankoatra ny gazety an-tsoratra, ny fanaovana sivantena an'ireo fantsona fahitalavitra dia misy fiantraikany mivantana ao Hong Kong satria ny sehatry ny haino saika ahitana ampihimamba, noho ny politikan'ny famoahana ireo fahazoandalana ataon'ny governemanta. Hatramin'izao, tsy misy afatsy fantsona fahitalavitra roa ‘hertziennes’ sisa ao Hong Kong, TVB sy ny ATV, ary ny fantsona Television Broadcats Limited (TVB) dia manangona ho azy irery ny 80%-n'ireo mpijery. Tao anatin'ireo taona vitsivitsy, mihamaro ny feo niakatra mba hiampanga “ny fandrindràna” ny sampana filazambaovao an'ny TVB (fananganana ny sivantena).

Ny 4 jona, ny fiaretantory nandrehitra fanala no lohahevitra fahatelo ho an'ny vaovao tamin'ny fahitalavitra an'ny fantsona Jade (shinoa) an'ny TVB, izay nahatezitra marobe tamin'ireo mpijery fahitalavitra. Nandray fanapahankevitra ny olom-pirenena iray hanohitra ny sampana fampahalalambaovaon'ilay fantsona tamin'ny alalan'ny fametahana sary famantarana iray teo anoloan'ny fitaovana fakàna sary raha iny hanao tatitra iny indrindra ny mpanao gazety. Toy izao no nalefa tamin'ny YouTube:

https://www.youtube.com/watch?v=i5HxQRaUZTM&amp=

Mivaky toy izao ny lamba misoratra:

無線新聞 事事旦旦

Vaovaon'ny TVB, famokarana iray mamohehatra

Naneho hevitra mikasika ny fanadihadiana nataon'i TVB news tamin'ny 4 jona ny Erynnyes an'ny blaogy “those were the days”

昨天最多人討論的新聞,恐怕不是六四燭光集會有多少人参加,不是梁洛施為李澤楷產子相爆光,就是CCTVB在六四燭光集會新聞直播中,被在場市民舉起抗議 牌,批評「無綫新聞、事事旦旦」!A對童工說,據聞CCTVB領導人袁花志偉,對事件怒不可遏云云,但正如A說,天作孽,猶可恕,自作孽,不可活,袁花志 偉當日如何處理趙紫陽回憶錄新聞、以至CCTVB在六四當日,如何把六四新聞,放在當日6:30新聞第三段,市民、觀眾,可是看在眼裡,CCTVB所作所 為,有沒有人為他們辯護?

Omaly, ny lohahevitra tena niverimberina indrindra angamba dia sady tsy ny isan'ny olona tonga tamin'ny fiaretantory tamin'ny 4 jona, no sady tsy ny fiainana manokan'iRichard Lee, fa ny lamba misoratra misy fanoherana hoe “vaovaon'ny TVB, famokarana iray mamohehatra” nasandratra nandritra ny fanadihadiana mivantana tao amin'ny CCTVB. Nilaza tamiko ny namako A. fa ny lehiben'ny departementa filazam-baovao CCTVB, Yuen Chi Wai, no tena rangitra  tamin'ny zava-nitranga. Saingy araka izay voalazan'ny namako A. ihany, tsy afaka ny hanafangaro an'io aminà torabato avy any an-danitra isika, maneho safidy nataonà lehilahy tokana izy io. Na ho an'ireo olontsotra aza, mazava ho azy fa ataon'i Yuen Chi Wai tsinontsinona ny famoahana ireo tantaram-piainan'i Zhao Ziyang. Ny 4 jona, nakisaky ny CCTVB ho teo amin'ny toerana fahatelo ihany koa ilay hetsika.

要平反六四,首要守住香港的新聞自由,若連新聞自由也守不住,還談甚麼爭取平反六四、爭取香港民主?若香港傳媒也在自我審查的時候,還期望誰為港人發聲?CCTVB、亞視淪為中央台,只是一個開始,香港人是時候,為香港傳媒盡點力,悍衛香港媒體,不會被阿爺和諧掉!

Raha tiantsika ny hankatoavana ny 4 jona, tokony ho arovantsika ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety. Raha tsy tafita isika, tsy misy dikany ny hiadiantsika ho amin'ny fankatoavana ny 4 jona sy ny demokrasia. Raha toa ny asa fanaovana gazety eo an-toerana mampiasa ny sivantena, ahoana no hanantenana fa hampakatra ny feony ireo HongKongais? Amin'izao fotoana izao izay efa nitambaran'ny CCTVB sy ny ATV ka antsoina hoe CCTV, vao fanombohana ihany io. Tokony hiaro an'ireo media eo an-toerana ny mponina mba hiarovana amin'ny fihantsiana hisian'ny “fandrindràna” ataon'ny governemanta.

Nanitrikitrika izy fa ny  tsy hadisoana tsotra fotsiny ilay fifanarahana fa fifandaminana efa nosainina tsara, tena mifanohitra tanteraka amin'ny asa tsy miankina sahanin'ny mpanao gazety:

六四當日CCTVB六點半新頭條是「天水圍三男生疑濫藥於公園暈倒」,這個,童工還可以認為說得過去,二條可是「立法會通過盡快興建西港島線」!那只是立 法會內交通事務委員會之下的鐵路事宜小組委員會會議決定!首先,當日CCTVB報道這段新聞,稱這個委員會做「鐵路事宜委員會」,已有誤導之嫌,立法會內 眾多事務委員會,何來一個「鐵路事宜委員會」?那只是交通事務委員會內,一個小組委員會吧了!重要性有多大?童工可以說,CCTVB平日,連正式事務委員 會會議也不會報道,為何六四當日,會把一個事務委員會轄下小組委員會決議,放在六四15萬人燭光集會之前?

Ny 6 jona, “Tovolahy telo hita tsy nahatsiaro tena tao anaty kianjan'i Tinshiuwai noho ny fidorohana rongony”, io no fanadihadiana voalohany indrindra tamin'ireo vaovaon'ny CCTVB. Ekena, mety azo heverina foana ho toy ny vaovao kely io vaovao io. Ho tambin'izay, ny lohahevitra faharoa dia ny hoe “nandatsa-bato i Legco ho fankatoavana ny fahazoana manorina ny làlana ambanin'ny tany ao andrefan'ny nosy Hong Kong”. Ny komity fakankevitra avy amin'ny komitin'ny fitaterana mmomba ireo raharahanà lalamby ao amin'ny filankevitra mpanao lalàna ihany no manohana an'io tolokevitra io. Tsy misy komity momba ireo raharaha mahakasika ny lalamby na iray aza hita ao amin'ny Legco, saingy niely tamin'ny lohateny vaventin'ny gazety malaza ilay vaovao diso. Ity komity voalaza ity dia tsy inona akory fa vondrona fifanakalozana hevitra fotsiny ihany ao anatin'ny komitin'ny fitaterana misahana ireo raharahanà lalamby. Inona no dikan'io vaovao io? Tsy dia mahazatra loatra ny hoe  CCTVB miresaka fivorianà komity, nahoana àry no nanapaka hevitra ny handray ny fanapahankevitr'ilay vondrona fifanakalozankevitra mialoha ny fiaretantory nandrehetana fanàla tamin'ny 4 jona ary natrehan'ny olona 150 000 ?

Nanomboka nesoin'reconnaître ny TVB tamin'ny alalan'ny fiantsoana azy ho CCTVB, orinasa rahavavin'ny CCTV an'ny shinoa. Teo amin'ny facebook, niforona ny vondrona iray mba hanoherana ny CCTVB ary namorona fango vaovao ho an'io fantsona io ireo mpisera aterineto:

cctvb1 cctvb2 cctvb3

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.