· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Aogositra, 2018

Ejypta: Bilaogera hafa nosamborina

Mbola mahita famoretana bebe kokoa ataon'ny Fiarovam-panjakana amin'ireo bilaogera noho ny antony samihafa ny sehatry ny tontolon'ny bilaogy Ejypsiana. Ny tranga vao haingana indrindra tamin'ity herinandro ity dia ny fisamborana ilay bilaogera Ejypsiana Omar El Sharkawy.

Firaondraonan'ny bilaogy ao Bangladesh

  19 Aogositra 2018

(Marihina fa tamin'ny 25 Septambra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny zava-nitranga manerana izao tontolo izao avy amin'ny bilaogy Bangladeshi : * Fanabeazana: Nanakiana ny rafitry ny fanadinana farany an-tsekoly -S.S.C. (Ambaratonga faha-10) any Bangladesh i Tanvir avy ao amin'ny bilaogy Journal of a Disturbed Mind. Maro ny mpianatra...

Ny tosika ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Saodiana

Navotsotra i Mohsen Al-Awaji rehefa nogadraina nandritra ny 11 andro, ary mieritreritra i Aya fa ity hetsika nataon'ny governemanta ity dia lesona azo tsoahina ho an'ny Saodiana: "Sahy manakiana ny governemanta ve ianao satria afaka manao izany amin'ny fotoana rehetra, sa esorina aminao ny fahafahanao sy ny fahamendrehanao. "

Shina: Miloa-bava ireo mpisera MSN voakatona

  15 Aogositra 2018

Niharatsy hatrany ho an'ireo mpisera any Shina ny tolotra MSN satria nanova ny kaonty Passport ho Live.com ny Microsoft vao haingana. Taorian'ny nanoratan'i Frank Dai, bilaogera ao amin'ny Global Voices Online lahatsoratra momba io olana io, tapa-bolana lasa izay, nanomboka nampiaka-peo ireo mpampiasa MSN Messenger, Hotmail sy MSN Spaces.