Ouzbékistan: Manohana an'i Umida Akhmedova ireo bilaogera
(Marihina fa tamin'ny 24 Desambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Ny Global Voices dia efa namoaka lahatsoratra momba ilay mpaka sary Ozbeka Umida Akhmedova izay voampanga ho “nanompa sy ny nanaratsy ny vahoaka sy ny fomba amam-panao Ozbeka.” Niteraka fahatezerana teo amin'ny mpanao gazety vahiny, mpaka sary sy ny mpisera miteny Rosiana ity fiampangana ity.
Tamin'ny fotoana nanoratana dia efa maherin'ny 600 ny olona avy amin'ny firenena maro no nanao sonia ny fanangonan-tsonia mitondra ny anarana hoe “Hetsi-panoherana sy hatezerana”, izay notarihin'ny Fiombonan'ny Mpanao Gazety Iraisampirenena Caucasia. Nisy ihany koa ny adihevitra mafana teo amin'ny bilaogera miteny Rosiana.
Nanoratra i Ivanivanch :
Les autorités ouzbèkes sont bien connues pour leurs manquements à l'égard des journalistes, des photographes et même des touristes, bien que mes amis disent que les gens ordinaires d'Ouzbékistan sont très gentils (…). Après toute cette affaire judiciaire montée contre Umida Akhmedova, je réalise que les histoires concernant les locaux – ainsi que les bruits qui courent sur les autorités ouzbèkes – sont vraies.
Fantatra tsara amin'ny tsy fahombiazany manoloana ny mpanao gazety, ny mpaka sary ary ny mpizahatany ihany koa aza ny manampahefana Ozbeka, na dia milaza aza ny namako fa tena tsara fanahy ny olon-tsotra ao Ozbekistan (…). Taorian'ilay raharaha ara-pitsarana nanenjehana an'i Umida Akhmedova dia tsapako fa marina ny tantaran'ireo mponina ao an-toerana – ary ny resaka mandeha mikasika ny manampahefana Ozbeka.
Bilaogera marobe no nanameloka ny fitsarana didy jadona nataon'ny sampandraharaham-panjakana. Niteny nivantambatana i Kinobomj :
Je suis choqué, pourquoi ces idiots des gouvernements cherchent toujours à fermer la gueule des artistes ? J'exprime ma colère et j'invite mes amis à faire de même, ou, au moins, à prendre connaissance de cette situation.
Tohina aho, nahoana ireo governemanta adala ireo no miezaka manakombom-bava ny mpanakanto? Maneho ny hatezerako aho ary manasa ny namako mba hanao toy izany, na, farafaharatsiny, hahafantatra ny toe-draharaha.
Ho setrin'izany dia nanoratra i vikarasik :
(…) les autorités sont trop loin des préoccupations du peuple. Et si elles veulent casser quelqu'un, rien ne peut les en empêcher.
(…) lavitra loatra amin'ny olan'ny vahoaka ny manampahefana. Ary rehefa te hamotika olona izy ireo dia tsy misy afaka manakana azy ireo amin'izany.

Ny sary rehetra ato amin'ity lahatsoratra ity dia avy amin'i Umida Akhmedova. Loharano: photopolygon.com
Mihevitra ilay bilaogera mulioshka fa mety ho mifandraika amin'ny raharahan'ny foko vitsy an'isa ao Ozbekistan izay lohahevitra hodian'ny manampahefana hatrany tsy resahina ny olana mahazo an'i Umida. Hoy izy nanoratra :
Quand on étudie l'ethnographie de l'Ouzbékistan, la question des terres où vivent les Tadjiks – qui furent octroyées à la république ouzbèke du temps de l'Union Soviétique – surgit automatiquement.
Rehefa mianatra momba ny kolontsaina ao Ozbekistan isika dia mitsikafona avy hatrany ny fanontaniana mikasika ireo tany onenan'ny Tajiks – izay nomena ny Repoblika Ozbeka tamin'ny vanim-potoan'ny Firaisana Sovietika.
Betsaka ny mpanara-maso no mihevitra fa noho ny fanoloran-tenany tamin'ny zo maha-olompirenena no antony hanenjehana ara-pitsarana ilay mpaka sary Umida Akhmedova. Nanoratra i Albatrossdoc fa navitrika loatra ho an'i Ozbekistan, tamin'ny famokarana sarimihetsika sy sary ary tamin'ny fandefasana sarimihetsika maneho ny endrika ara-piarahamonina tao amin'ny mozea i Umida Akhmedova sy ny vadiny Oleg Karpov (talen'ny Mozean'ny Sarimihetsika ao Tashkent ).
Mihevitra i Albatrossdoc fa tsy nankasitraka izany ny olona sasany. Nakatona nandritra ny telo volana tsy nisy fanazavana ofisialy ny mozea.
Rehefa jerena ny sarin'i Umida dia azo lazaina fa maka sary ny vahoaka Ozbeka mahazatra izy. Miaina ao anatin'ny fahantrana ny sasany amin'izy ireo, ao anatin'ny fahantrana lalina mihitsy aza. Mahita ao anatin'izany ny tena anton'ny hanenjehana ilay mpaka sary ilay bilaogera kambodjaa:
Des photos magnifiques. Mais sur certaines d'entre elles, on peut voir ce qui dérange exactement la société patriarcale ouzbèke. C'est clair pourquoi elle a été accusée.
Sary mahafinaritra. Saingy amin'ny sasany amin'izy ireo dia hita ny tena manelingelina ny fiarahamonina Ozbeka patriarika. Mazava ny antony hanamelohana azy.
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...