Horohorontany Faharoa Nahafatesana Marobe Sy Nampihazakazaka Ny Nepalis Hamonjy Toerana Malalaka

A fresh 7.3-magnitude earthquake struck Nepal on Tuesday. More than 50 people have been killed and more than 1000 injured in the Himalayan country and neighbouring states, as many buildings already weakened by a much bigger quake last month were brought down. Image by Sumit Shrestha. Copyright Demotix (12/5/2015)

Horhorontany vaovao nanana hery 7.3 no namely an'i Nepal tamin'ny Talata teo. Olona maherin'ny 50 no  maty ary maherin'ny 1.000 no naratra tao amin'ireo firenena sy mpifanolo-bodirindrina any Himalaya, satria efa nirodana daholo ireo tranobe izay efa nolemen'ilay horohorontany goavana tamin'ny volana lasa iny Sary avy amin'i umit Shrestha. Fizakàmanana Demotix (12/5/2015)

Vao teo ampiarenana hiverina amin'ny andavanandrony mihitsy i Nepal taorian'ilay horohorontany nanana hery 7.8 nandravarava ny firenena tamin'ny 25 Aprily, dia horohorontany faharoa indray nanana hery 7.3 no namely ny firenena tamin'ny 12 May.

Journalist Narendra Raule nibitsika hoe:

Olona marobe no eny an'arabe. Horohorontany goavanaaty #Nepal #HorohorontanyIndray

Andro fiasàna tamin'ity indray mandeha ity. Andro Sabotsy ny 25 Aprily, ary tany an-tranony daholo ny olona. Fa ny 12 May, tany amin'ny toeram-piasany ny ankamaran'ny olona. Ambony ambany ny zavatra hita teny amin'ny fifamoivoizana teny taorian'ilay horohorontany.

Olona maherin'ny 8.000 no maty tamin'ilay hovitrovitra tamin'ny 25 Aprily. Fahafatesana niisa fito ambidimampolo hatreto no voalazan'ny tatitra tamin'ity horohorontany ity, miaraka aminà olona maherin'ny arivo naratra. Ny distrikan'i Dolakha no tena voa mafy, olona 34 no voalaza fa maty ary 90 isanjaton'ny trano no nirodana, raha ny vaovao vonjimaika nangonin'ny Polisy ao Nepal.

Nandefa saripika avy amin'ireo toerana samihafa ao Kathmandu i Kashish Das Shrestha sy ireo mpampiasa media sosialy.

#NepalEarhquake 25 Aprily (ery ambony) sy 12 May

Nirodana ity trano ao Nayay Bus PArk ity tamin'ny horohorontany androany; Miasa mamonjy vaviantitra iray tavela ao ny mpitandro filaminana Nepali

Saripinà #HorohorontanyAoNepal mahavaky fo avy eny ambony angidimby handeha ho any amin'ny faritr'i #Everest

Mbola nijaly tamin'ity fanindroany ity indray ny distrikan'i Sindhupalchok, izay niharan'ny donan'ilay horohorontany tamin'ny 25 Aprily. Sivy no voalaza fa maty tany.

Sehatra avy ao Chautara, Sindhupalchowk taorian'ny #horohorontany androany

Toy izany koa, vao mainka nanaratsy ny fiainana ao Bhaktapur ilay horohorontany faharoa, izay tanàna nahitàna ny faharavàna goavana be tamin'ilay horohorontany teo aloha.

Niverina nankany amin'ireo tranolay nisy azy teny an-tany malalaka ireo olona nandao ireny tranolay vonjimaika ireny mba nandeha nody tany an-tranony.

#Kathmandu mandeha miverina any an-tranolay taorian'ilay #HorohorohontanyTaoNepalindray

Lasa indray izany isika izao. Raha efa saiky niverina amin'ny andavanandrony ny olona, natosik'ilay #HorohorohontanyTaoNepalindray hivoakany ny tranony

Tsy sahy mijanona ao anatiny! Miverina eny anaty tranolay hiaina anivon'ny natiora, alina ravahan'ny kintana, ny moka

Nandefa saripika mitantara ny manjo ny olona mandany ny alina manao tafo lanitra ilay vavahadin-tserasera Onlinekhabar.

Tamin'ny herinandro lasa, nangataka fanampiana avy amin'ny any ivelany ny governemanta ao Nepal ary niverina tany amin'ny fireneny ireo mamponjy voina satria efa nanombokaniverinaho amin'ny andavanandrony ny toe-draharaha ary efa azon'ny governemanta noraisina an-tànana ny tohiny. Niaraka tamin'ny fodian'reo andiany avy amin'ny firenena maro ireo, ho asa sarotra ny asa famonjena sy fanampiana.

Nandia lalan-tsarotra i #Nepla tamin'ny fandefasana nody ireo vahiny mpanampy. Ho asa sarotsarotra kokoa izao ny asa famonjena

Voatery tohizana hakatona mandritry ny tapabolana indray ireo sekoly izay efa tokony ho novohana tamin'ity herinandro ity. Any amin'ny 30 May izy ireny vao hanomboka hisokatra, raha ny torolàlana navoakan'ny Minisitry ny Fanabeazana.

Nanomboka niverina tamin'ny fiainany isanandro ireo Nepalis, niarina sy namerina nanorina, saingy miaina anaty tahotra indray taorian'iny horohorontany faharoa iny.

Kashish Das Shrestha nibitsika hoe:

Nirodana fotsiny izao izay rehetra fahatsapana fitoniana mety ho niverina tany anivon'ireo Nepalis taorian'ity horohorontany lavabe sy nampivarahontsana androany ity

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.