Sary Mahavaky Fo Mampiseho Ireo Toerana Mana-tantara Taloha sy Taorian'ny Horohorontany

Historical Monuments after the earthquake at Kathmandu Durbar Square. Image by Ajaya Manandhar. Copyright Demotix (25/4/2015)

Tsangambato Manatantara taorian'ny horohorontany tao amin'ny kianjan'i Kathmandu Durbar. Sary avy amin'i Image by Ajaya Manandhar. Copyright Demotix (25/4/2015)

Namoizana aina maherin'ny 7000 ary naratra avo roa henin'izany ny horohorontany izay namely an'i Nepal tamin'ny 25 Aprily. Olona 8 tapitrisa no niharan'ny horohorontany ka 2 tapitrisa farafahakeliny ireo nafindra toerana.

Ankoatra ireo olona niharam-boina sy fananana simba an'arivony tapitrisa, nanimba ireo tsangambato malaza manerantany ihany koa ny horohorontany - maro amin'izy ireo no Vakoka Iraisampirenena. Nilaza tamin'ny Fikambanan-gazety ny lehiben'ny UNESCO Irina Bokova fa mahavaky fo” ny mahita ny fahasimban'ny fangaron'ny Hindoisma sy ny Bodisma manavaka an'i Nepal.

Niditra aterineto ireo mpiserasera media sosialy mba handefa ny sarin'ireo tsangambato lehibe sy toerana manan-danja taloha sy taorian'ny horohorontany .

Simba tanteraka ny kianjan'i Durbar telo ao amin'ny Lohasaha Kathmandu - Kianjan'i Kathmandu Durbar, Kianjan'i Patan Durbar ary ny  Kianjan'i Bhaktapur Durbar- ka mila an-taonany maro ny fanavaozana ireo tempoly fahagola.

Mahavaky ny foko ity. Kianjan'i Basantapur Durbar, iray amin'ireo toerana manan-tantara ao Nepal, taloha sy taorian'ny hovitrovitry ny tany.

TALOHA/TAORIANA. Mpanjaka Yoga Narendra Malla, Kianjan'i Patan Durbar

Iray amin'ireo tempoly ao Bhaktapur taloha sy taorian'ny horohorontany. Nalaina roa herinandro lasa ny sary

Namboarin'ny praiminisitra voalohany, Bhimsen Thapa tao Nepal i Dharahara, fantatra ihany koa amin'ny hoe tilikambon'i Bhimsen . Nirodana tamin'ny horohorontany tamin'ny 1934 ny tilikambo rihana 13 tamin'izany. Nohavaozina indray ho tilikambo minaret rihana 9, ary rava indray tamin'ny horohorontany tamin'ny volana lasa

Diso ilay taloha sy taoriana hafa fa ity no tena izy. Tilikambon'i Dharhara, taloha, taoriana, taloha, taorian'ny fihovotrovotry ny tany

Nahitana fahasimbana ihany koa i Swayambhunath, fantatry ny vahiny amin'ny hoe Tempoly Rajako.

Moanina mandeha eo anoloan'ny monasitera sy toerana masina nirodana ao Swoyambhunath Stupa, Toerana Vakoka Iraisampirenen'ny UNESCO

Tazana mahatalanjona ao Swoyambhunath, antsoina koa hoe tempoly Rajako.

Nanjary dongon-tany ny iray amin'ireo tempoly tsara indrindra manamorona ny Renirano Bagmati, tempoly Kalmochan.

Kalmochan ao Kathmandu, Nepal. Iray amin'ireo ankafiziko, Manahoana 🙂

Nirodana ny tempoly Kalmochan namboarin'i Jang Bahadur tao Thapathai tamin'ny endrika Mugha, mbola mijoro kosa i Garuda

Rava tanteraka ihany koa i Sankhu, toerana fahagola malaza eo amin'ny mpanao fivahiniana masina Swasthani Bratakatha.

Niharan'ny horohorontany ihany koa i Sankhu, toeram-ponenako ao Nepal, tena mahavaky fo, sary teo aloha sy taty aoriana

Niharan'ny fahasimbana goavana ihany koa ny faritra manodidina ny tempoly Changu Narayan, Vakoka Iraisampirenena kilometatra vitsy monja miala avy ao amin'ny Lohasahan'i Kathmandu.

Changunarayan, te ho any aho, toa mahafinaritra. Nandrava azy ny horohorontanin'i Nepal

Mbola mijoro i Changunarayan, saingy misy fahasimbana betsaka ny toerana. Mila fanavaozana

Rava tanteraka i Khokana, tranom-bakoka momba ny kolontsaina Newar.

Nepal Mahafinaritra! nalaina androany maraina tao Khokana!

Mitondra am-pitandremana ireo zanak'osy roa manerana ny tanàna rava ao Khokana ao Nepal i Sameer

Tratra ihany koa i Bungamati, toerana tranainy tao Newar.

Mahavaky fo! Tempoly Bungmati: Teo aloha sy taty aoriana

Ravan'ny riaka tanteraka taorian'ny horohorontany ny tanànan'i Langtangtoerana akaiky indrindra ao am-pofoan'ny Himalaya ao amin'ny Lohasahan'i Kathmandu ary toerana ankafizin'ireo mpitsangatsangana.

Tanànan'i Langtang, ao Nepal, teo aloha sy taorian'ny horohorontany tamin'ny 25 Aprily

Tao anatin'ny foiben'ny horohorontany i Barpak, vohitra kely miavaka ao amin'ny distrikan'i Gorkha. Rava tanteraka ihany koa ny tanàna, fonenan'ireo mponina Ghale – malaza amin'ny herim-pony sy ny asa fanompoana ny tafika Britanika, Indiana ary Nepaley.

Mahatorovana fo ny mahita ireo sarin'i Barpak taloha manoloana ny faharavana ankehitriny noho ny horohorontany

Namela marika tsy mety vonoina ao Nepal ny horohorontany. Ho antsoina hiasa amin'ny fikojakojana izay sisa tavela ireo manam-pahaizana amin'ny fampitaovana sy ny olona manatalenta manokana amin'izany. Na dia eo aza ny faharavana sy ny fahasimbana, tsy very fanantenana amin'ny fanorenana indray ireo tsangambato sy ny toerana manatantara ny Nepaley

Shashi Raj Pandey, ohatra nisioka hoe:

Ahitana fanantenana lehibe eo amin'ny vahoaka, sy [fikofokofohana] avy any amin'ny fasana hankany amin'ny nofy hanorina indray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.