Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ireo Seranam-piaramanidina, Trano, Orinasa, Fanaovana Fanatanjahantena, Lapa Ary Fotodrafitrasa Maro Potiky Ny Ady Ao Yemen

The biggest airstrike reported shook the capital Sanaa on April 20. On Twitter, @ammar82 shares this photograph from the blast site, in a residential area. The bombing has left dozens of people dead and hundreds injured

Ny 20 Aprily, nampihozongozona an'i Sanaa renivohitra ilay fanafihana an'habakabaka lehibe indrindra voatatitra. Tamin'ny Twitter, mizara io sary io i @ammar82, avy any amin'ilay toerana nisy ny fipoahana, tany amin'ny faritra misy toeram-ponenana. Namoizana ain'olona am-polony ary naratra an-jatony ilay daroka baomba

Iray volana izay ny hery miara-dian'ny Arabo no nanao zera baomba an'habakabaka tany Yemen.  Tsy mifantoka manokana amin'ny faritra miaramila fotsiny intsony na ny tena tanjona fototr'izy ireo,dia ny Houthisizay naka ny fifehezana an'i Sana'a renivohitr'i Yemen tamin'ny filoha Abd-Rabbu Mansour Hadi tamin'ny Janoary.

Nisy faharavàna goavana ihany koa tany amin'ilay tanàna mahafinaritra any an-tseranan'i Aden, izay toerana amaharan'ireo Houthis miara-dàlana amin'ireo tafika manohana ny filoha taloha tao Yemen, Ali Abdulla Saleh.

Niala tamin'ny naha-filoha azy i Saleh taorian'ny telopolo taona naha-teo amin'ny fitondràna azy, taorian'ireo fihetseham-bahoaka tamin'ny 2011, ary namindra ny fahefana ho an'i Hadi taorian'ny marimaritra iraisana nokarakarain'ny GCC (Filankevitry ny Fiarahamiasa Ao amin'ny Helodrano) notarihan'i Arabia Saodita. Io firenena io ihany ankehitriny no mandaroka baomba an'i Yemen. Mbola i Saleh no mifehy ny ankamaroan'ireo vondron-tafika sy mahatahiry ny maha-tò teny azy ao amin'io firenena Arabo mahantra indrindra eto an-tany io.

Vakio koa ny: “Mandeha Manavatsava Ny Fahafatesana Izahay” , Hoy Ny Sioka Avy Amin'ny Bilaogera Yemenita Amin'ny Ady Ao Amin'ny Firenena

Mamintina ilay fahapotehana lehibe ny tatitry ny Kaomisera Ambony ho an'ny Zon'olombelona ao  amin'ny Firenena Mikambana (OHCHR), nalefa ny 17 Aprily:

Noho ilay ady dia potika, simba ary tapatapaka ireo foto-drafitrasam-bahoaka ka farafahakeliny tafiditra ao anatin'izany ny hopitaly miisa dimy (Sana’a, Al Dhale’e ary Aden), fianarana ary toerana fanabeazana 15 (Aden, Al Dhale’e, ary Sana’a), ireo seranam-piaramanidina nasiônaly telo lehibe (Sana’a, Aden ary Hudaydah), ary farafahakeliny tetezana roa, ozinina roa ary maoske efatra any Al Dhale’e. Nahazoana tatitra ihany koa ny fahasimban'ireo tsena any an-toerana, toeram-pamokarana herinaratra, ary foto-drafitrasa (WASH) momba ny rano, ny fivoahana sy ny fahadiovana  any Aden, Hajjah ary Sa’ada. Nisy fiantraikany mivantana tamin'ireo tranon'olon-tsotra manokana, indrindra ny tany atsimo ireo fanafihana an'habakabaka sy ireo fifandonan'ny miaramila ireo .

Nanambara omaly (21 Aprily) i Arabia Saodita, mitarika ny hetsika miaramila amin'ny ady ao Yemen, fa nofaranany ny Hetsika Tafiotra Tsy Iadiankevitra, taorian'ny nahatratrarany ny tanjony, ary manomboka ny Hetsika Famerenana ny Fanantenana izy izao, izay manana tanjona ny hitady vahaolana ara-politika ao amin'ilay firenena izay nodarohany baomba nandritra ny efatra herinandro. Mitotaly 944 ny maty ary 3.487 ny naratra tamin'ny fifandonana tany Yemen hatry ny nanombohan'i Arabia Saodita ny hetsika miaramilany ny 26 Martsa.

Vakio koa (amin'ny teny Anglisy) ny : Electricity, Food and Fuel Shortages Increase Suffering of Yemenis as Saudi-Coalition Bombs Continue to Fall

Mampiseho ny fahapotehana goavana sy fahasimbana vokatry ny fanafihana an'habakabaka  Hetsika Tafiotra Tsy Iadiankevitra nataon'i Arabia Saodita ary notohanan'i Etazonia ny ankamaroan'ireto saripika sy lahatsary mahavalalanina ireto, raha toa ka avy tamin'ireo zera baomban'ny fiara mifono vy an'ny Houthi/Saleh ny sasany:

Nizara ireo vaovao sy sarin'ilay fahapotehana goavana manerana ireo tanànan'i Yemen, vokatr'ilay ady, ireo filazam-baovao sy ireo mpampiasa Twitter hafa.

Simban'ilay fifandonana ny Firenena Mikambana, foto-drafitrasam-bahoaka, tafiditra amin'izany ireo sekoly, toeram-pahasalamana, tsena, toby famokarana herinaratra ary fitobian'entana.

fiaramanidiana MEG29 roa potika tao amin'ny Seranam-piaramanidin'i Sanaa, nandritry ny iray tamin'ireo fanafihana an'habakabaka #KSA. #Yemen

Sarin'ny fahasimbana tao amin'ny Seranam-piaramanidin'i #Hodeidah, lasibatry ny hetsika #DecisiveStorm halina. #Yemen

Nikendry ny Seranam-piaramanidina vaovaon'i Saada , #Yemen avaratra ny hetsika #DecisiveStorm. Nanomboka ny hetsiny izy tamin'ity volana ity.

Sary avy any #Aden, toerana anohizan'ireo tafika Houthi/Saleh ny fanaovana lasibatra ireo faritry ny toeram-ponenana. #Yemen #DecisiveStorm

Lehilahy iray mipetraka eo amin'ny sisan'ny tranony simba ao Aden, Yemen (avy tamin'i @ORHamilton) (Sary avy tamin'i Saleh Bahales)

Lehilahy iray mijery ny tranony simban'ny fanafihana an'habakabaky ny #Saodiàna, Talata 31 Martsa, manaikaky ny Seranam-piaramanidin'i #Sanaa #Yemen

Ito ny efitra fandrian'ny namako Madih, nialoha sy taorian'ny fanafihan'ny #Houthies tao #Aden #yemen

Loharano teo an-toerana: maherin'ny 16 ireo toeram-pitsinjaràna solika, any #Saadah #Yemen nokendren'ireo kapoka an'habakabaka #OpDecisiveStorm,

Lahatsarin'ny fahasimbàn'ny Lapam-Bahoaka tao #Taiz, akaikin'ny kôlejiko. Marika iray mampirehareha io.

Ireo sary akaikikaiky kokoa an'ny Lapam-Bahoaka potika tao #Taiz. Lapa namboarin'ny filoha be mpitia indrindra, AlHamdi, io lapa io. #Yemen

Ohatra amin'ireo fahasimbàna ao an-tanànan'i Aden, izay eo ambany fanafihana mafy tsy ankijanona avy amin'ireo hery Houthi/Saleh. #Yemen

Potik'ireo fanafihana an'habakabaky ny Saodiàna ireo toeram-pitobian'ny varim-bazaha sy ozinina Radfan Tobacco any Aden. Tena manampy an'i #Yemen tokoa izy ireo

Namotika ny hotely raitra tao #aden #Yemen #KefayaWar, ireo fanafihana an'habakabaka

Ankehitriny, voazera baomba ireo tranobe amin'ny làlana Al-Mualla any #Aden. #Yemen #Houthis #DecisiveStorm

Fahapotehana any #Saada, taorian'ny nanjeran'ny #OpDecisiveStorm baomba ireo trano & toerana tsy an'ny miaramila, maty ihany koa ireo olona tsy manan-tsiny #Yemen

Fiara mifono vy an'ny Houthi mamotika tranobe amin'ny toeram-ponenana iray  ao Mualla, #Aden.

Fanafihana an'habakabaka #Saodita enina tao Haradth, tanàna fiampitàna ny sisintaniy. Olona eniina maty…olon-tsotra daholo izy rehetra. #Yemen

Fahapotehana ao afovoan'i Sanaa. Fanafihana an'habakabaky ny #Saodiana mikendry tranobe amin'ny toeram-ponenana any Jiraf, distrikan'ny renivohitr'i #Yemen.

— Yemen Updates (@yemen_updates) April 4, 2015

Vao nahavita nanorina ny toerana fiompiany any Hajja ny namako. Main'ireo lelafon'ny Saodiana. Nandà ny fifandraisana amin'ny Houthi izy

Vao 5 taona lasa izay, nampiantrano ny fetim-panokafana ny Fiadiana izay ho tompondakan'ny #Golfa i Yemen #Aden,  tao amin'ny Kianjan'ny 22 May. Ankehitriny rava nizara roa #KefayaWar

Ity no “Ibb” Kianjan'ny #Baolina kitra nahazatra talohan'ny fanafihana an'habakabaky ny #Saodiàna…. Simba tanteraka. #Yemen

Farahafakeliny olona 29 no maty halina, raha nanafika ozinina fanamboarana Ronono sy “Yaourt” tao Hodieda ny Saodiàna. #Yemen

Sekoly Ambaratonga fototra, lasibatry ny fanafihana an'habakaba Saodiàna tao Sahar, faritanin'i Saadah. #Yemen #OpDecisiveStorm

#Anjerimanontolon'i Hodeida taorian'ny fanafihana an'habakabaky ny #Saodiàna. Tsy nisy mpianatra tao anatiny satria nakatona noho ny ady ireo sekoly. #Yemen

Tetezana mampifandray an'i Taiz amin'ny faritanin'i Lahj…. Simban'ny fanafihana  an'habakabaka #Saodiàna. #Yemen #OpDecisiveStorm

Nampihontsokontsona ny renivohitra Sanaa, ny 20 Aprily, ny fanafihana an'habakabaka lehibe indrindra voatatitra. Nikendry ny toby fametrahna fitaovam-piadiana tao Faj Attan, izay anaty faritra misy teram-ponenana io, ary nahatonga fahafatesan'olona am-polony sy faharatràna an-jatony, miaraka amin'ny fahapotehan'ireo trano fonenana, ilay fipoahana mahery vaika.

Tsy fitandremanamanao ahoana moa ny fandatsahana baomba mahery vaika amin'ny tanàna feno mponina??? #OpDecisiveStorm

Sary mazava tsara an'ilay fipoahana mahery vaika tao Faj-Attan omaly, izay nanimba tanteraka ny tanàna manodidina rehetra #Yemen

Ny renin'ireo fipoahana rehetra. Potika ny tranoko .

simba daholo ilay tranobe misy rihana dimy nitoeranay, ary nivoaka niaraka tamin'ny rà mitete amin'ireo vatany ireo olona mipetraka manodidina anay #Yemen

Ohatra an'izao ny fampandehandehanana alika aty amin'ny toerana manodidina ahy androany. Tohin'ny zera baomba tany Faj Attan. Misy fizakàmanana.

Vaky ny varavaram-pitaratry ny Anjerimanontolon'i #Sanaa, Fianarana ambony momba ny varotra. Any amin'ny 15 kilômetatry ny toerana nisy ilay fipoahana androany io. #Yemen

Sarin'ny fanafihana an'habakabaka #OpDecisiveStorm namely ny tetezan'i Al-Daleel, any amin'ny faran'ny Làlana Sumarah any Ibb.

Ny “Operation Decisive storm” ary ireo fanafihana an'habakabaka nentiny, ny fitohizan'ny ady ataon'ny milisy Houthi sy Saleh any Taiz, Mareb ary ireo fitondràna any atsimo dia niteraka  fahafatesana sy faharavàna nanerana an'i Yemen, ary olona tsy manan-tsiny maro voafandrika tao anatin'ny fifampitifirana.

Vakio koa ny (amin'ny teny Anglisy): GV Tracking the Destruction of Infrastructure in Yemen

Manontany tena ny amin'izay hoentin'ny Hetsika Femerenana Fanantenàna ny olona?!

Nandefa bitsika toy izao i Ruba Aleryani:

#OpOurYemen satria tsy mila firenena hafa hamerina fanantenàna ho antsika isika. Mahazaka dona isika ary hanao izay zavatra rehetra tokony atao hanarenana an'i #Yemen.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.