
Nepaley niharam-boina tamin'ny horohorontany 25 Aprily2015, nalaina sary tao anatin'ny Fiaramanidina Indian Airforce tamin'izy ireo nafindra niala tao amin'ny tsenan'ny Trishuli ho ao amin'ny seranam-piaramanidin'i Kathmandu ao Nepal. Sary: hemantrawat1234. Copyright Demotix (28/4/2015)
Herinandro monja taorian'ny horohorontany tamin'ny 25 Aprily tao Nepal, nanomboka nalaza tao amin'ny Twitter ao India ny diezy #GoHomeIndianMedia [Modia Any Aminareo Ry Media Indiana]. Raha nisaotra an'i India noho ny fanampiana avy hatrany taorian'ny horohoron-tany ny Nepaley, voatsikera mafy noho ny fomba fitantarany ny zava-misy tsy araka ny tokony izy tsy mahalala maharary ny haino aman-jery Indiana.
Nihevitra ny sasany fa fanararaotana hampiroborobona ny seraseram-bahoakan'ny governemanta Indiana ny asa fanampiana.
Some Nepalis accusing Indian media of using quake to promote Modi. #GoHomeIndianMedia trends: http://t.co/XSMvj9zTED pic.twitter.com/y5IPLqdbat
— Shreeya Sinha (@ShreeyaSinha) May 5, 2015
Miampanga ny media Indiana ho manararaotra ny horohorontany mba hampiroboroboana an'i Modi ny Nepaley sasany.
An indian news reporter to a mother who's learnt her only son has been buried under their house. Q. How do you feel? #GoHomeIndianMedia
— Prasanna KC (@KC_Prasanna) May 3, 2015
Mpanao gazety Indiana manontany renim-pianakaviana izay vao avy nandre fa voatototry ny tranon'izy ireo ny zanany lahy tokana. Fanontaniana : Manao ahoana ny fihetseham-ponao? #GoHomeIndianMedia
Times Now reporter asks an injured woman did someone of yours die? She says my 10 year old daughter. He asks her the same thing 6 times ??
— Ratna Vishwanathan (@ratnadv) April 26, 2015
Mpanao gazetin'ny Times Now manontany vehivavy naratra iray raha nisy maty ny fianakaviany na namany. Namaly izy hoe ny zanany vavy 10 taona. Nametraka izany fanontaniana izany in-6 izy??
Noho ny fahatezerana amin'ny tatitra tsy tompon'andraikitra ataon'ny media Indiana, nanomboka nampiasa ny diezy #GoHomeIndianMedia ny mpiserasera Nepaley, izay nibahana tao amin'ny Twitter nandritra ny andro maromaro.
Have you seen the Chinese media interviewing anyone? Less talk and more work please. Respect is earned, not publicized #GoHomeIndianMedia
— Rubina (@RubinaKharel) May 3, 2015
Hitanao ve ireo haino aman-jery Shinoa manao fanadihadiana amin'ny olona? Tsy be resaka fa tonga dia asa avy hatrany, azafady. Azo amin'ny fahamendrehana ny fanajana, fa tsy dradradradraina #GoHomeIndianMedia
Niparitaka tao amin'ny haino aman-jery sosialy ny fahatezerana. Posiposy “bajaj” iray ohatra nahitana ny diezy #GoHomeIndianMedia teny an-dalamben'i Katmandou.
If u got chance to travel around #Kathmandu in #Tempo then u'll see #GoHomeIndianMedia poster -Photo @aesmriti pic.twitter.com/oPJ1ALxr2F
— Prakash Timalsina (@prakashujyalo) May 5, 2015
Raha afaka mandalo manodidina an'i Kathmandu ao Tempo ianao dia mahita ny sora-baventy #GoHomeIndianMedia
Nilaza ny sasany fa manao asa tsy mendrika ny haino aman-jery Indiana ary tsy mba nampiseho fanetre-tena taorian'ny horohorontany. Tsy vao voalohany ireo mpanao gazety Indiana no niatrika fanakianana tahaka izao. Nandritra ny tondra-drano tao Uttarakhand, izay nahafaty olona maherin'ny 5.000, nameno ireo onja tamin'ny fitantarana fahoriana tafahoatra ny haino aman-jery Indiana sasany, mampiseho ireo niharam-boina tamin'ny tondradrano tao anatin'ny fotoana tena sarotra, ka nilaza ireo tsikera sasany fa toy ny fanararaotana (fitrandrahana) ny loza izany fa tsy fitateram-baovao araka ny tokony ho izy.
Nilaza ireo mpiserasera Indiana sasany fa menatra noho ny ataon'ny haino aman-jeriny izy ireo.
#GoHomeIndianMedia @TimesNow @HeadlinesToday @mediacrooks and all Media Crooks out there feel shame on you pic.twitter.com/W74xDhTBLC
— Keerthivasan (@kvasan_c) May 4, 2015
#GoHomeIndianMedia (Mandehana mody any aminareo:) @TimesNow @HeadlinesToday @mediacrooks sy ireo haino aman-jery Mpisoloky ao, mahalalà menatra
Nanomboka nampiasa ny diezy #DontComeBackIndianMedia [Aza miverina mody aty ry media indiana] ireo Indiana sasany.
This is the reason why #GoHomeIndianMedia is trending worldwide. Utterly shameful. So #DontComeBackIndianMedia pic.twitter.com/a3l243Pu5T
— SINGH (@Punjabi_AAPian) May 3, 2015
Izany no mahatonga ny #GoHomeIndianMedia ho malaza maneratany. Tena mahamenatra. Ka #DontComeBackIndianMedia (Aza miverina mody ry media Indiana)
Hoan'ny sasany tahaka an'i Krittivas Mukherjee, izay namoaka lahatsoratra tao amin'ny Hindustan Times, ny ankamaroan'ny olana amin'ny tati-baovaon'ny Indiana ao Nepal dia ny “fitantarana am-pitiavan-tena ireo zava-mitranga” sy ny “fanambonian-tena.”
Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no maika hanidy varavarana amin'ny fampahalalam-baovao Indiana. Smita Sharma, mpanoratra gazety monina ao New Delhi nanoratra tao amin'ny Dailyo.in fa tokony haka fotoana handinihana ry zareo raha mahita ilay sary goavana kokoa:
It is time for course correction before #GoHomeIndianMedia hashtags overshadow all the good work done by many journalists, who too are mortals, and brave challenges to tell the world stories of those in pain.
Fotoanan'ny fanitsiana izao alohan'ny hanakonan'ny diezy #GoHomeIndianMedia ny asa tsara rehetra notontosain'ireo mpanao gazety marobe izay olombelona mety maty ihany koa ary sahy nijoro mba hitantara amin'izao tontolo izao ny ny momba ireo ao anatin'ny fahoriana.
Raha tsy ahitana vinavina ny tsikera sasany, mampanontany tena amin'ny fahatsapan'izy ireo, na tsia manoloana ny loza tahaka izao ny ahiahy ankapobeny manoloana ny haino aman-jery Indiana. Manana fantsom-baovao maherin'ny 100 i India, ary mifaninana ao anatin'ny “fanatratrarana fahazoana mpijery sy mpihaino marobe” izy ireo. Te ho voalohany eny an-toerana amin'ny fitantarana miavaka ny fantsom-baovao rehetra. Amin'izany fifaninanana te ho voalohany izany, indrindra mandritra ny loza voajanahary goavana izay maro ny olona manara-baovao, tsy mahavita manaja ny etika sy ny maha-matihanina intsony ireo haino aman-jery.
Ny hafa kosa miahiahy fa mandray mpiasa tsy matihanina be loatra ireo fantsom-baovao ka mametrakaolona anoloan'ny kamera alohan'ny fampiofanana azy ireo araka ny tokony ho izy. Sunita Shakya, mpanoratra Nepaley, nitaraina momba izany fironana voalaza izany tao amin'ny lahatsoratra bilaogin’ny CNN, izay nanaovany fampitahana ny tati-baovaon'ny haino aman-jery Indiana amin'ny tantara mitohy amin'ny fahitalavitra.
Manome tombotsoa marobe ho an'ny fampahalalam-baovao amin'ny fitomboan'isan'ny mpijery ny loza voajanahary, saingy fanamby lehibe hanajana ny fahadiovan'ny asa fanaovan-gazety koa izany. Ohatra iray vao haingana ny fahasarotan'ny fitateram-baovao ny tolona ifanaovan'ny haino aman-jery Indiana manoloana ny fangirifirian'ny daholobe ao Nepal .
Tantaran'ny Azia Atsimo farany
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Janoary 2021 27 Lahatsoratra
- Desambra 2020 44 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...