Tantara mikasika ny Blaogim-Piarahamonina GV tamin'ny Avrily, 2023
Fifidianana Birao FiPi GV 2023: Manolotra ireo solontenan'ny vondrom-piarahamonina GV vaovao!
Juke Carolina Bransiecq sy Subhashish Panigrahi no ho solontenantsika vaovao avy amin'ny volantera, ary Gabriela García Calderón no ho solontenantsika avy amin'ny mpiantoka asa.
VIDEO: Fomba fifidianana filankevi-pitantanana Global Voices 2023
Misokatra afaka ora vitsy ny fifidianana filankevi-pitantanana Global Voices 2023. Indro àry izay tokony ho fantatrao momba ny dingana arahana hifidianana!
Fifidianana solontenan'ny Volantera ao amin'ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: Kandidà Khojasta Sameeye
"Amin'ny maha-mpikatroka media ahy efa ho 7 taona, afaka manolotra ho an’ny vondrom-piarahamonina GV ny traikefako amin'ny asa fanaovan-gazety, ny media ary ny serasera aho."
Fifidianana solontenan'ireo manana fifamatorana arakasa ho ao anivon'ny Filankevi-pitantanana GV 2023: ny kandidà Giovana Fleck
"Ny fananganana vondrom-piarahamonina GV dia nanome hevitra tsara ho ahy hahatakatra ny fomba fihainoana tsara kokoa ny tarika iray sy ny fanangonana ary fampiharana ny tamberina avy amin'izy ireo."
Fifidianana solontenan'ny Volantera ao amin'ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: Ny kandidà Reda Harbi
"Ny laharam-pahamehan'ny GV amin'ny maha-fikambanana azy dia ny hampanakoako ny feon'ireo olona sy mponina any amin'ny faritra saro-dalana sy lavi-pifandraisana."
Fifidianana solontenan'ny Nanao Fifanarahana Arakasa ho ao amin'ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: ny kandidà Mariam Abu Adas
"Mikasa ny hampiasa ny fitaovana rehetra eo am-pelatanako aho mba hifaneraserana sy hanohanana ny vondrom-piarahamonina, na amin'ny alàlan'ny media sosialy izany, na mailaka, na amin'ny alalan'ny voromailala mpitondra hafatra fahiny."
Fifidianana solontenan'ny Volantera ao amin'ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: Ny kandidà Isela Xospa
"Tiako ny hanohana ny hetsika ataon'ny vondrom-piarahamonina amin'ny lalana hanamafisana azy ireo sy hahita fitaovana fanampiana sy fiaraha-miasa amin'ny alàlan'ny GV."
Fifidianana solontenan'ny Volantera ao amin'ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: Ny kandidà Alex Esenler
"Te hanana hirika hifaneraserana amin'ny vondrom-piarahamonin'ny volantera an-tsitrapo ao amin'ny GV amin'ny fomba lalina kokoa aho... ary hitady fomba hampiasana ny fahaizako mba hahatonga ny GV ho toy ny vondrom-piarahamonina/fikambanana matanjaka sy tomady araka izay azo atao."