Tantara mikasika ny Mibilaogy Miabo
Mibilaogy miabo: Mandinika ny Andro Manerantany hiompanana amin'ny SIDA amin'ny alalan'ny Sioka
Tamin'ny 1 Desambra 2011, nanasa ireo mpiserasera manerantany ny Rising Voices mba hisioka ny fomba hankalazàna ny Andro manerantany hiompanana amin'ny SIDA any aminny vondrom-piarahamonina samihafa.
[Karajia mivantana] Dingana manaraka ho an'ny tari-dalana fibilaogina miabo, 2 Desambra
Miaraha aminay azafady amin'ny 2 Desambra 2010 mba hanao karajia momba ny "tetikasa sy tari-dalana antserasera momba ny fibilaogina tsara. Hanomboka amin'ny 11 atoandro ny karajia, ary raisinay am-pifaliana avokoa izay mpandray anjara vaovao, ary koa ireo namana izay efa nandray anjara tamin'ny resadresaka manerantany.
Okraina: Miditra Amin'ny Fanangonam-bola sy Fanentanana Amin'ny Alàlan'ny Aterineto
Ny Elena Pinchuk AINTIAIDS Foundation ao Okraina dia nitondra hevitra feno famoronana mba hanentanana ny fahatsapan-tenan'ny fiaraha-monina Okrainiana amin'ny raharaha mikasika ny VIH/SIDA, toy ny fampitomboana ny fanampiana ny olona miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA. Ireto hetsika fanasoavana feno famoronana ireto dia tena mifototra amin'ny aterineto ary misy fiaraha-miombon'antoka amin'ny sampan-draharaha Okrainiana mampiasa ny tambajotra ara-tsosialy mba hanairana olona maro.
Blogging Positively: Fandefasana Bitsika Momban'ny Andro Eran-tany Natokana Ho An'ny SIDA 2011
Manatona azafady ny vondrom-piarahamonina 'Rising Voices - "Blogging Positively" mba hizaranao ao amin'ny Twitter hoe ahoana ny fijerin'ny fiarahamonina misy anao ny 1 Desambra, Andro Eran-tany ho an'ny SIDA. Manasa anao izahay hampiasa ny tenifototra #BlogPos sy #WAD11 mba hahazoana ny zava-misy amin'ny ankapobeny momba ity andro fankalazàna ity.