Toko nosoratan'i Kelly Chaib De Mares momba an'i Azerbaijan ao amin'ny “Boky fanao an-tanan'ny Fisantaran'andraikitra Famahana olan'ny fifandiram-paritra ilabolantany atsimo”

The image shows a part of Baku, capitol of Azerbaijan. The center of the image depicts a street that is lined on the one side by the ocean and the other by tall buildings and green parks. The upper part of the image shows the sky in a sunset setting with clouds. The further back of the image shows the city panorama.

Baku, renivohitr'i Azerbaijan. avy amin'i: faiknagiyev. Loharano: Pixabay.

Tamin'ny faran'ny taona 2022, navoakan'ny Routledge ny “Handbook of Regional Conflict Resolution Initiatives in the Global South” (Boky fanao an-tanan'ny Fisantaran'andraikitra Famahana olan'ny fifandiram-paritra ilabolantany atsimo) izay nanaovan'i Jeronimo Delgado-Caicedo edisiona. Trandrahan'ny boky ny fifandraisan'ny firenena iray amin'ireo hetsika famahana olana sy ny ametrahany ny toerany eo amin'ny rafitra iraisampirenena, ary mizara toko enina ny boky, ka ny toko tsirairay dia mifantoka amin'ireo faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao (Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra, Azia Atsimo sy Atsinanana, Eoropa Atsinanana, Afrika atsimon'i Sahara ary Amerika Latina).

Asongadin'ny Fizaràna lV (Eorôpa Atsinanana) ny toko “Ny Fisandratan'i Azerbaijan ho Hery ara-paritra: Eo anelanelan'ny Fihenjanana sy ny tsy fiandaniana” izay nosoratan'i GV Kelly Chaib de Mares sy Soraya Stella Caro-Vargas mpiara-manoratra aminy. Raha raisina manokana ny toko nosoratan'i Kelly Chaib de Mares dia mampiditra odidina ara-jeopolitika sy ara-jeo-ekonomika ao Azerbaijan amin'ny fahatakarana ny tsy fiandaniana sy ny diplaomasia telolafy ho fomba iray hisorohana ny fifandirana ao amin'ny faritra nandritra ny fotoana nampafana ny fifanandrinana mitam-piadiana nifanaovany tamin'i Armenia tao amin'ny faritr'i Nagorny Karabakh.

Mijere torohay bebe kokoa momba ny famoahana ato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.