Tantara mikasika ny naman'i Januaria
Antsafa niarahana tamin'i Jamila Venturini ao amin'ny Friends of Januária

Iray amin'ireo mpandrindra ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices Friends of Januária i Jamila Venturini, mpanao gazety Breziliana. Ao anatin'ity lahatsarin'ny antsafa niarahana taminy ity izy niresaka ny antony nanombohana ny tetikasa fanentanana ny fampitam-baovaon'olo-tsotra any amin'ny tanànan'i Januária.
Januária: Hafakely, Hafakely, Vakio Daholo Ny Momba Izany!

Satria zava-dehibe ny tetikasa "Friends of Januária" na "Ireo Sakaizan'i Januaria " izay tohanan'ny Rising Voices dia misy gazety manokana antsoina hoe “Folha do Norte” (Northern Page) nivoaka mba hahazoan'ireo mponina eto an-toerana mamaky ireo tantara mahakasika ny raharaha misy eto an-toerana izay novokarin'ny olon-tsotra mpanao gazety eto an-toerana ihany.