Tantara mikasika ny Drop-in Center
Drop-in Center: Ahoana no tokony ho fomba fiasan'ny foibe fanarenana
Vao haingana i Pavel Kutsev, mpitarika ny Drop-in Center, fikambanana tsy mitady tombontsoa ara-bola miezaka mamaha ny olan'ny olona miaina amin'ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina no nizara ny heviny momba ny fahombiazan'ny asa eny amin'ny toerana fanarenana ny olona miankin-doha amin'ny zava-mahadomelina.
Drop-In Center: Fanovana bitika, Fandresena lehibe
Mamintina ny zava-bita goavan'ny fikambanany amin'ny fiarovana ny zon'ireo marary tsaboana amin'ny fanoloana opioma (opiacé) i Pavel Kutsev, filohan'ny fikambanana tsy mitady tombontsoa ara-bola, Drop-In Center. Mampiasa ny toerana maha-mpitarika azy sy ny bilaoginy i Pavel mba hiarovana ireo zavatra manokana tena ilain'ny olona toa azy.
Drop-In Center: Fandaharana fanentanana vaovao
Nibilaogy momba ny programa fanentanana vaovao momba ny VIH / SIDA i Pavel Kutsev, mpitarika ny hetsika Okrainiana fampihenana ny voka-dratsy sady talen'ny fikambanana Drop-In Center
Antsafa niarahana tamin'i Pavel Kutsev ao amin'ny Drop-In Center
Pavel Kutsev dia mpiara-manorina ny Drop-In Center, fikambanana Okrainiana iray izay manandra-teny amin'ny zo fampitàn-dresaky ny mpampiasa rongony (na fanafody?) amin'ny alalan'ny tsindrona sy mba isian'ny politikam-pirenena mifandraika amin'ny fomba fitsaboana hafa.
Valan'aretina raboka ao Okraina: An'iza ny fahadisoana?
Nampitaitra amin'ny fisian'ny valan'aretina raboka (TB) ao Okraina ny Tahirimbola Okrainiana misahana ny olona miankindoha amin'ny rongony "Drop-In Center". Vao haingana ny tranonkalany Motylek no namoaka lahatsoratra maromaro manoritsoritra ny haben'ny olana, sy ny olana atrehan'i Okraina amin'ny ady amin'ity aretina ity.
Okraina: Fitorahana Bilaogy Momba Ny Nofy
Taorian'ny fampianarana momba ny fampiasàna ny mediam-bahoaka, mino ireo mafana fo avy ao anatin'ny Fikambanan'ireo Mpisolovavan'ny Fitsaboana Fanolo any Okraina [ru] ary mino fa mety ho fitaovana lehibe amin'ny fampahafantarana ny fitsaboana fanolo ny fitorahana bilaogy ary hiarovana ny zon'ny marary ny fitorahana bilaogy, sady fitaovana hanoratan'izy ireo momba ny fanantenany manokana sy ny nofinofiny.