Fifidianana solontenan'ny Volantera ao amin'ny Biraon'ny Filankevi-Pitantanana GV 2023: Ny kandidà Reda Harbi

Reda Harbi. Photo courtesy Reda Harbi.

Tonian-dahatsoratra, mpanoratra ary mpikatroka politika ao Alzeria Reda Harbi. Nahazo mari-pahaizana master 02 momba ny siansa politika momba ny fiarovana, ny fifandraisana ivelany, fianarana ara-piarovana sy stratejika tao amin'ny Fakiolten'ny Siansa Politika ao Constantine izy. Teraka tany Alzeria i Reda ary nankafy politika iraisampirenena, ny zon'olombelona ary ny toekarena, nanatevin-daharana ny Global Voices tamin'ny taona 2021.

Nasaina hamaly ireo fanontaniana hita etsy ambany avokoa ireo kandidà rehetra amin'ny fifidianana ho biraon'ny filankevi-pitantanana 2023. Aza misalasala manontany zavatra fanampiny amin'i Reda ao amin'ny faritra fanehoan-kevitra eo ambanin'ny lahatsoratra teny anglisy!

Inona no mahasarika anao indrindra amin'ny fiheverana hanao raharaha ao amin'ny biraon'ny filankevi-pitantanana (FiPi) GV?

La capacité de bien représenter la communauté des bénévoles de GV et pouvoir exprimer les préoccupations des bénévoles.

Ny fahafahana misolo tena tsara ny vondrom-piarahamonina volantera GV ary afaka maneho ny ahiahiny.

Inona avy ireo talenta, hakingàna, fifandraisana aman'olona ary fahaiza-manao manokana azonao omena ny Global Voices amin'ny andraikitrao amin'ny maha-solontena anao ao amin'ny birao filankevi-pitantanana (FiPi)?

Je fais partie de GV depuis 2021 et je suis aussi journaliste rédacteur dans le pays ou je réside.

Hatramin'ny taona 2021 no naha-GVer ahy  ary mpanao gazety tonian-dahatsoratra ao amin'ny firenena misy ahy ihany koa aho.

Raha mitsinjo ny telo taona manaraka ianao, inona, araka ny hevitrao, no tokony ho laharam-pahamehan'ny GV amin'ny maha-fikambanana azy?

Les principales priorités de GV en tant qu’organisations, c’est de faire entendre la voix des personnes et des populations qui sont dans des zones reculées.

Ny laharam-pahamehan'ny GV amin'ny maha-fikambanana azy dia ny hampanakoako ny feon'ireo olona sy mponina any amin'ny faritra saro-dalana sy lavi-pifandraisana.

Lafiny inona amin'ny asan'ny GV no mahaliana anao indrindra?

C’est la façon dont nous pouvons utiliser les médias pour développer des histoires et aussi aider des populations en donnant la voix a leur mal être.

Ilay fomba ahafahantsika mampiasa ny fampitam-baovao hamolavolana fitantarana sy hanampiana ny olona ahafahany miteny ireo zava-manahirana azy.

Inona no tianao ho azo avy amin'ny fandalovana hanao servisy ao amin'ny biraon'ny FiPi ity, na amin'ny lafiny matihanina na ho anao manokana?

Aider et voir d'autres idées et aussi d’autres cultures et avoir une expérience dans cette diversité culturelle.

Hanampy sy hahita hevitra hafa sy kolontsaina hafa ary hanana traikefa ao anatin'ity fifamroan-kolontsaina ity.

Ahoana no handrindranao ny servisy ataonao ao amin'ny biraon'ny FiPi amin'ireo adidy aman'andraikitrao manokana sy amin'ny asanao matihanina any an-kafa?

J’aime le travail de bénévolat et mon engagement avec GV ne va pas affecter mon travail, avec mon sens de l’organisation comme j’ai pu le faire dans le passé en équilibrant plusieurs engagements à la fois.

Ankafiziko ny asa an-tsitrapo ary tsy hisy fiantraikany amin'ny asako ny firobohako ho ao amin'ny GV, efa vitako izany telo aho noho ny fahaiza-mandamina ananako tamin'ny fandanjalanjana firobohana maromaro indray miaraka.

Inona no fomba fiasa hampiasainao hirobohana sy hihainoana ny vondrom-piarahamonina mba hisoloana tena azy ireo amim-pahombiazana eo amin'ny sehatry ny biraon'ny FiPi?

Je peux être contacté à tout moment par email ou sur whatsapp ou viber, je serais ouvert aux questions, opinions, et mêmes des suggestions.

Azo ifandraisana amin'ny fotoana rehetra aho amin'ny alàlan'ny mailaka na amin'ny whatsapp na viber, misokatra amin'ny fanontaniana, hevitra ary soso-kevitra koa aza aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.