Tantara mikasika ny fametrahana tanjona
Tanjon'ny Fanontàna 2018: Fanamboarana Endrin-dahatsoratra Ho an'ireo Tantara Mahazatra Ao Amin'ny Advox
Fikasàko ny hanamboatra andianà endrin-dahatsoratra izay hanamora kokoa ny asan’ny mpikambana anatin'ny GV (vaovao sy efa somary tranainy) amin’ny fanoratana lahatsoratra mombanà tranga fampihorohoroana miantraika amin'ny zon'ny olona iray hiteny an-tserasera.
Tanjon'ny Fanontàna 2018: Mitondra ny Feon'ireo Firenena ao Miatrika Fifandonana ao MENA
Mba hanamafy ny feon'ireo firenena any amin'ny faritr'i Mena izay miatrika ady no tanjon'ny fanoratako: Siria, Yemen, Libyia, Palestina sy Sahara Andrefana.
Tanjona Amin'ny Famoahana 2018: Fampidirana Vondrom-piarahamonina Lehibe Kokoa sy Marolafy Ahitàma Mpandray Anjara Avy Ao Eoropa Afovoany Sy Atsinanana
Ny tanjon'ny taona 2018 ho an'i Eoropa Afovoany sy Atsinanana dia ny hananana fara-fahafahakeliny mpanoratra iray miasa mavitrika isaky ny firenena avy ao amin'ny faritra, noho izany hanana solontena ao amin'ny GV avokoa ireo firenena 22.
Tanjona Fanontàna 2018: Irianay ny Hikarakara Fampianarana Manoratra ho An'ny Vondrom-Piarahamonin'ny Faritra Miteny Espaniôla
Inona ny atao hoe tantara iray amin'ny GV? Ahoana ny fomba fanoratr azy? ... Ary nahoana?
Tanjon'ny Fanontàna 2018: Ahoana ny Fomba Nisafidianana Ireo Filoha Anatin'i Afrika Miteny sy Mampiasa ny Teny Frantsay?
"Tsy hiandry ny fizotran’izay valim-pifidianana manjavozavo ho avy eo hanafotra sy hamely anay tampoka izahay, fa hiezaka ny handinika haingana ny toejavatra misy ny fifidianana tsirairay alohan'ny herisetra anatin'ny vanimpotoan'ny fampielezankevitra."
Tanjona Ara-Panoratàna 2018 : Fahafantarana Ny Fomba Fiasàn'ny Media Dizitaly Tantanin'ireo Vazimba Teratany
Andao hamantatra bebe kokoa momba ny fomba nanombohana sy nanohizan'ireo media tantanin'ireo vazimba teratany ny fahampafantaràna azy ireo ety anaty aterneto.
Tanjon'ny Fanontàna 2018: Fandrafetana Tatitra Amin'ny Aterineto Ho An'i Azia Atsimo-Atsinanana
'Tatitry ny Mpisera: Kendren'i Azia Atsimo- Atsinanana ny hisarika bebe kokoa ny saina sy hifantoka ny toeran'ireo media an- tambajotra ary ireo olan'ny fahafahana maneho hevitra ao amin'ny faritra'.
Tanjon'ny Fanontàna 2018: Mila Tantaranà Fiarahamiasa Eo Amin'ny Sisintany Bebe Kokoa Any Azia Atsimo Isika
Ho amin'ny volana manaraka, te hitarika ny ekipan'ny mpanoratra ao Azia Atsimo aho mba hamokatra am-piarahana miasa tantara telo na efatra isam-bolana izay manadihady lohahevitra amin'ny fomba fijerin'ny faritra.