Tantara mikasika ny RV any ejipta
Fampahafantarana ny tetikasa firesahana momba ny fady
Mitohy ny fanomanana ho an'ny atrikasa voalohany ao amin'ny tetikasa "Miresaka ny Fady" nokarakarain'ny ekipa avy ao amin'ny vondrona ao Kairo Nazra for Feminist Studies, iray amin'ireo tetikasa telo eto Ejipta izay tohanan'ny Rising Voices amin'izao fotoana izao.
Sary avy amin'ny Mokattam Blog Tales
Indro ny tohin'ny andian-dahatsary misy fizarana telo notontosain'ilay Egyptiana mpanatontosa sarimihetsika Mahmoud Saber, izay mijery akaiky ny tetikasa tsirairay ao anatin'ny hetsika Rising Voices tany Egypta. Manasongadina ny tetikasa Mokattam Blog Tales ity lahatsary ity.
Fampahafantarana ny Mokattam Blog Tales
Mpandrindra ny tetikasa Mokattam Blog Tales i Nesma Gewily ao amin'ny Masaken Alzelzal - Alhadba Alwosta, manodidina an'i Kairo, Egypta. Ato amin'ity tantara ity, manoritsoritra momba ny tetikasa i Nesma, niaraka tamin'ny fiara-miasa tamin'ny fikambanana Alwan Wa Awtar izay hampianatra ny... fampiasana ny fitaovan'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra.
Fampahafantarana ny “Vehivavin'i Minya isan'andro”
Tetikasa vaovao indrindra ao amin'ny New Women Foundation (Orina Mpanasoa ho an'ny Vehivavy Olom-baovao) any Kairo ny vehivavin'i Minya isan'andro. Nanome atrikasa ho an'ny vehivavy monina sy miasa any El Minya any amin'ny 250 km eo atsimon'ny renivohitra i Nevine Ebeid sy ireo mpikambana hafa ao amin'ny ekipan'ny Orina Mpanasoa.
Mamaky fady: Rehefa ny vehivavy iharan'ny fanorisorenana no mahazo tsiny
Olana lehibe ao Ejypta ny fanorisorenana ara-nofo izay ny 83% amin'ireo vehivavy no nitatitra fa efa niharan'ny fanorisorenana ara-nofo. Nanoratra momba izany zava-misy izany ny bilaogera iray avy ao amin'ny tetikasa Miresaka ny Fady.