Ny Blaogim-Piarahamonina Global Voices dia sehatra ho an'ny mpikambana ato aminay hifampizarana ala hamohamo, tantara manokana. Natao ihany koa hieritreretana ny asa iarahana, hifampizarana hevitra sy fijery amin'ny sehatra misy anay. ·
Lahatsoratra rehetra

RSS

Tantara mikasika ny Blaogim-Piarahamonina GV tamin'ny Jolay, 2019

Fifidianana sy Kolontsaina

  25 Jolay 2019

Tiako mba hankalaza ny faha-10 taonany ny Global Voices. Andrasako amim-panantenana ny hahita ireo sary rehetra sy handre ireo kinangananga avy amin'ny Fihaonambe manaraka. Ho eo am-panahy aho miaraka aminareo rehetra!

Efa misy ankehitriny ny Lingua vaovao Nubian!

  25 Jolay 2019

Miarahaba izao tontolo izao! Efa misy ankehitriny ny Lingua Nubian! Tsy maintsy milaza aho fa nofinofiko hatramin'ny naha-mpitantana ny Lingua ahy ny hanana ny Nubian eo amin'ny fitenintsika. Misaotra anao, Momen Talosh, noho ny fahavononanao hanara-maso ny fanombohana ny tetikasa!

Mamisoa Isabelle Raveloaritiana: Nivady izahay noho ny Global Voices

  24 Jolay 2019

"Niova ny ampahany tamin’ny fiainako hatramin’ny nidirako tato amin’ny vondrom-piarahamonina. Noho ny Global Voices no nahitako ny maha-zava-dehibe ny fahalalahana maneho hevitra, ny fizarana hevitra, izay nanosika sy nandrisika ahy hamorona ny bilaogiko amin’ny teny Frantsay sy Anglisy ary amin’ny teny Malagasy ; nahitako ny sila-panahiko." hoy Mamisoa Isabelle Raveloaritiana nanoratra.