Tantara mikasika ny Blaogim-Piarahamonina GV tamin'ny Septambra, 2019

Zarao ny Majika

Ny hatsaram-panahin'ny blaogera feminista iray - sy vintana tonga tamin'ny fotoana tsy nampoizina - no nitondra ahy tato amin'ny Global Voices tamin'ny Fararano 2008.

15 Septambra 2019

Mampahafantatra ny Visual Storytelling

Iray amin'ireo fivoriana tamin'ny fihaonan'ny Fiarahamonina Global Voices nankafiziko indrindra ny resadresaka momba ny fitantarana tantara hita maso avy amin'ny tale mpanatanteraka ao amin'ny GV, Ivan Sigal. Nijery ny fomba ahafahana mampitombo ny teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana ary ny sehatra an-tserasera mba hampiseho tantara amin'ny fomba vaovao ny fifanakalozan-kevitra.

14 Septambra 2019

Juan Tadeo: Miatrika ny fahaketrahana taorian'ny fihaonambe

Ho an'ireo namana GV izay mety mamaky ireo teny ireo, avelao aho hilaza hoe: tombontsoa ity, mahafinaritra ianareo, ianareo tsirairay avy ary tsy andriko ny hiara-hiasa akaiky aminareo mba hahatonga ny tontolon'ny bilaogy sy ny aterineto ho toerana tsara kokoa. Antenaina fa hifankahita tsy ho ela isika.

12 Septambra 2019

Laura Schneider: Tsy mora mihitsy ny niverina nody

Vao avy nanoratra lahatsoratra tao amin'ny bilaogiko momba ny fihaonana an-tampon'ny GV aho ary nandrisika ahy i Marianna Breytman mba handefa izany eto. Saingy fampahalalana ankapobeny ho an'ireo tsy mahalala momba ny GV, sy izay nataontsika tany Filipina izany ary iza no mahalala, mety afaka manampy hahazo mpanoratra vaovao aho.

10 Septambra 2019