Tantara mikasika ny eurodigitallang
Mino i Talwyn Baudu fa mety ho zava-dehibe amin'ny fihazonana ny Breton, fiteny vitsy an'isa ny media nomerika
Mitrandraka ireo fanamby sy fanantenana amin'ny fizarana ny teny Breton i Talwyn Baudu, fiteny iray mihavitsy mpiteny hatrany.
Fanontaniana sy valiny ifanaovana amin'i Beñat Garaio, mpikatroky ny fiteny Basque
Ao amin'ny Firenena Basque ao Espaina, miasa i Beñat Garaio amin'ny fampiroboroboana ny teny Basque amin'ny alalan'ny fikarakarana fisantaran'andraikitra sy lanonana, fifaneraserana amin'ireo vondrom-parahamonina ampielezana ary fandraisana anjara amin'ny hetsika fanohanana akademika (oniversitera)
Fanontaniana & Valiny niarahana tamin'i Silvia Cebolla, mpikatroka ho an'ny fiteny Aragonezy
Avy any Aragón, Espaina, nampitomboin'i Silvia Cebolla ny fahitàna ny fiteny aragonezy, amin'ny maha-mpanolotra fandaharana anaty fahitalavitra azy, sy maha-mpikarakaraka sakafo "vegan" ao amin'ny YouTube, ary amin'ny alàlan'ireo hetsika maro hafa ety anaty aterineto ho fampiroborobana ilay fiteny.
Fanontaniana & Valiny niarahana tamin'i Romas, miasa ho fandrisihana misimisy kokoa ireo mpampiasa ny fiteny Karaim
Araka ny fanadihadiana iray vao haingana, olona latsky ny 20 sisa, zokiolona ny ankamaroany, ao Litoania no afaka mampiasa, miteny, mahatakatra ary mamaky ny fiteny Karaim. Nitafa tamin'i Romas izahay, izay nizara ireo ezaka ho fampiroboroboana ireo mpiteny vaovao.
Resadresaka nifanaovana tamin'i Kevin Scannell, mpikatroka fiteny Irlandey
Nandritra ny 20 taona mahery i Kevin Scannell no mpiaro ny teny Irlandey ary mihevitra izy fa zava-dehibe ny fanomezana safidy an-tserasera ho an'ireo mpampiasa ny teny Irlandey.
Fantaro misimisy kokoa ny Academie du Gallo sy ireo ezaka ataony hanabeazana voho io tenim-paritra io
Avy ao Frantsa, mampiroborobo ny fahitàna sy ny fankatoavana ny fiteny Galo ety anaty tambajotra ny Academie du Gallo.