Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Mey, 2017

Egypta: Nirehitra Ny Teatira Nasionaly

31 Mey 2017

Toa hita fa nahavita namelona indray an'i Néron ny Egyptiana . Ary misy ny lisitra lavan'ireo toerana izay hodoran'ny Néron Egyptiana . Ary nanomboka izany tamin'ny Parlemanta Egyptiana izy herinandro vitsivitsy lasa izay, ary ankehitriny tonga ny fotoana ho an'ny Teatira Nasionaly Egyptiana .

Palestina: Atao Fitaovana i Gaza

29 Mey 2017

Bilaogera nandao an'i Gaza vao haingana i Exiled (an-tsesintany) - ary tsy maika hiverina izy. Ho hitantsika ato ny heviny momba ny fampielezan-kevitra ara-politika sy ny fitiavan-tena, ny tonelina mankany Ejipta sy ny tetikasa fefy vy, ary ny toetry ny hiahian'ny tontolo any ivelany ny tetezan-tanin'i Gaza.

Ejypta: Ireo Olona 10 Voalohany Manan-kery Indrindra

25 Mey 2017

Nanatontosa fanadihadiana ilay bilaogera Ahmed Shokeir mba hahitàna izay olona 10 voalohany manan-kery indrindra ao Ejipta, rehefa talanjona izy nahita fa i Gamal Mubarak, zanaky ny filoha Ejiptiana Hosni Mubarak - izay tokony handimby ny rainy - no mpifaninana 100 tafakatra famaranana tamin'ny TIME taona 2009.

Tohin

Etazonia: “Mila Ny Al Jazeera Anay Izahay!”

25 Mey 2017

Taorian'ny fikomiana malaza tany Tonizia sy Ejipta, nahazo dera manerantany ny Al Jazeera ao Qatar, indrindra tamin'ny fandrakofam-baovao vao haingana tao amin'ny fantsony amin'ny teny Anglisy. Mitaky ny hisian'ny Al Jazeera ao aminy ankehitriny i Amerika.