Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Janoary, 2012
Nanao Jery Todika Ny Taona 2011 ny Global Voices “Néerlandais”
Raha toa ny taona 2012 ka efa mandeha tsara amin'ny làlany, ireo mpandika teny ao amin'ny Global Voices "néerlandais" dia nanao jery todika ny taona 2011. Inona ny lahatsoratra niavaka indrindra ary inona no mampiavaka ny Global Voices ?
Ny Lahatsoratra Global Voices Be Mpamaky Indrindra Tamin'ny Taona 2011
Ireo lahatsoratra 20 voalohany be mpamaky indrindra tato amin'ny Global Voices nandritra ny taona 2011 dia ahitana ny momba an'i Japana, telo avy ao Ejipta, ary roa avy ao Filipina. Ary tantara tokana kosa ny momba ilay mamba goavana be [mg]!
Ejypta: Navoaka Ny Fonja ilay Mpamaha Bolongana Maintimolaly Alaa Abdel Fattah

(Lahatsoratra navoaka voalohany tamin'ny 27/12/2011) Araka ny didy navoakan'ny Fitsarana Ady Heloka Bevava, noafahana ihany ilay mpamaha bolongana malaza Alaa bdel Fattah taorian'ny fitazonana azy vonjimaika nandritra ny 56 andro....
Ejipta: Vehivavy Manao Diabe Mitaky Ny Maha-Olona Azy
An'arivony ireo vehivavy Ejiptiana nidina an-dalambe tao Kairo androany (20/142/2011) mba hanao hetsi-panoherana hitakian'izy ireo ny maha-olona azy, taorian'ny nidarohan'ny miaramila ireo vehivavy nandritra ny fifandonan'ny miaramila sy ireo mpanao fihetsiketsehana, tao anatiny sy teny ivelan'ny Kianja Tahrir hatramin'ny 16 Desambra.
Ejipta: 2011 Teny Anivon'ireo Lahatsoratra Am-bilaogy
Tonga tamin'ny fiafaràny ny taona 2011, ary miaraka amin'ireo zavatra rehetra nitranga tao Ejipta, dia zava-dehibe loatra ny hitanisàna ireo lahatsoratra tanaty bilaogy izay tena nanan-danja sy niteraka resabe nandritra ny taona.. Mampisafidy an'ireo mpampiasa Twitter i Tarek Amr mba hisafidy izay lahatsoratra am-bilaogy misongadin'ny taona.