Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Avrily, 2019
Palestina: Gaza eo ambany fahirano
Manampy ny feon'izy ireo ao anatin'ny tabataba iraisam-pirenena ny bilaogera manerana ny faritra satria tafiditra ao anaty haizina i Gaza. Nitarika fanakatonana ny tobin' herinaratra tokana ao amin'ny farittra noho ny tsy fisian'ny solintany ny fahirana efatr'andro nataon'i Israely.
Ejipta: Ho avy tsy ho ela ny rindrina aroafon'i Shina
Eo amin'ny kitendry ny ilan-tanan'ireo bilaogera Ejiptiana ary eo amin'ny fony ny ilan-tanana iray hafa. Taorian'ny famoretana vao haingana teo amin'ireo bilaogera sy mpikatroka an-tserasera taorian'ny fitroarana 6 Aprily, milaza mihitsy ny sasany fa mbola ho avy ny ratsy indrindra.
Afovoany Atsinanana: Malahelo noho ny fanafihana tany Mumbai
Ao anatin'ny alahelo sy ny fahatairana tamin'ny fanafihana an'i Mumbai, mametraka fanontaniana marobe ny bilaogera manerana ny tontolon'ny Arabo.
Notanan’ny Fampanoavana miaramila vonjimaika nandritra ny 15 andro ilay bilaogera Ejipsiana Alaa Abdel Fattah

Notanana ny Alahady 30 Oktobra (2011) ilay bilaogera Ejipsiana efa tranainy Alaa Abdel Fattah (@alaa) nandritra ny 15 andro taorian’ny nandàvany ny fakàn’ny miaramila mpanao fanadihadiana am-bavany azy , izay nitakiany ny zony hotsaraina eo anoloan’ny fitsarana sivily.
Libya: Rice, solika sy ny fampiasam-bola vahiny
Tonga ao Libya androany ny sekreteram-panjakana Amerikana, Condoleeza Rice, ary hihaona amin'ny mpitarika Libyana, Muammar Al Gaddafi." Nankasitrahan'ilay bilaogera ny fitsidihana, izay voalohany nataon'ny sekreteram-panjakana Amerikana tao anatin'ny 50 taona mahery, saingy nametraka fanontaniana tahaka ny hafa ihany koa izy.