Etazonia: “Mila Ny Al Jazeera Anay Izahay!”

(Fanamarihana: Lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Janoary 2011 izy ity)

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana momba ny Fihetsiketsehana Ejypta 2011

I want Al Jazeera

Sary avy amin'i Mike Licht, NotionsCapital.com

Taorian'ny fikomiana malaza tany Tonizia sy Ejipta, nahazo dera manerantany ny Al Jazeera ao Qatar, indrindra tamin'ny fandrakofam-baovao vao haingana tao amin'ny fantsony amin'ny teny Anglisy. Tao amin'ny New York Times, izay nidera ny Livestation, english.aljazeera.net, na ny pejy Facebook‘ny fantsona, miady hahatafiditra ny fantsona mba ho lasa anisan'ny atolotra anaty fonosan-tolotra omena azy ireo ny Amerikana.

Iray amin'ireo Amerikana ireo i Jeff Jarvis, mpampianatra momba ny asa fanaovan-gazety ao New York. Nanazava tao amin'ny lahatsoratra bilaogy izy hoe:

Cable companies: Add Al Jazeera English NOW!

It is downright un-American to still refuse to carry it. Vital, world-changing news is occurring in the Middle East and no one–not the xenophobic or celebrity-obsessed or cut-to-the-bone American media–can bring the perspective, insight, and on-the-scene reporting Al Jazeera English can.

Yes, we can watch AJE on the internet. But as much of an internet triumphalist as I am, internet streaming is not going to have the same impact–political and education impact–that putting AJE on the cable dial would have. I can watch AJE in the Zurich hotel room where I am now; I want to be able to watch it on my couch at home.

Orinasa Fahitalavitra an-kosina: Ampidiro IZAO ny Al Jazeera teny Anglisy!

Tsy Amerikana mihitsy ny mbola fandavàna hampiharana izany. Mipoitra ao Afovoany Atsinanana ny vaovao lehibe sy miovaova ary tsy misy olona, na ny media Amerikana mpankahala vahiny na adalan'ny laza aza afaka mitondra ny fomba fijery, ny eritreritra sy ny tatitra ataon'ny Al Jazeera amin'ny teny Anglisy.

Eny, afaka mijery ny AJE amin'ny aterineto isika. Saingy na dia mpirehareha fatratra ny aterineto aza aho, tsy mitovy ny fiantraikan'ny fandefasana amin'ny fahitalavitra AJE, an-kosina (kabla) mihitsy ny fiantraikan'ny fandefasana mivantana amin'ny aterineto – raha resaka politika sy fanabeazana. Afaka mijery AJE ao amin'ny efitranon'ny fandraisam-bahiny ao Zurich izay misy ahy aho izao. Te hijery izany any an'efitranoko fandriana any an-tranoko aho

Jarvis mbola nisioka hoe:

What the Gulf War was for CNN, the Egypt revolution is for Al Jazeera English…except we in America can't see it.

Ny Adin'ny Helodrano ho an'ny CNN, ny revolisiona Ejypta ho an'ny Al Jazeera amin'ny teny Anglisy…..isika Amerika ihany no tsy afaka mahita izany

Mpampianatra momba ny asa fanaovan-gazety ao New York, Jay Rosen mahatsapa tahaka izany ihany koa, hoy izy  tamin'ny sioka:

Al Jazeera hosts who fight back when BS is paraded out by their guests are showing people in America how bankrupt their electronic press is.

Ny tompon'ny Al Jazeera izay miady rehefa asehoan'ireo vahinin'izy ireo ny BS dia mampiseho ny Amerikana fa bankirompitra ny gazety elekitronikan'izy ireo.

Daniel Streicher, mampiseho ny rohin-dahatsoratra tao amin'ny Huffington Post mikasika ny lohahevitra, nisioka androany vao maraina hoe:

Why can't we get Al Jazeera English on our TVs in America? Not enough Bieber coverage? http://pulsene.ws/Vr5J

Nahoana no tsy afaka mahazo ny Al Jazeera amin'ny Anglisy ao amin'ny Fahitalavitray ao Amerika izahay? Tsy ampy ny fitantarana an'i Bieber?

Rob Hyndman nanana fanazavana hafa mikasika ny antony hiheverany ny tsy hametrahana ny fansona ao amin'ny Fanjakana:

America's fear of Al Jazeera comes from its independence. Same as Wikileaks.

Avy amin'ny fahaleovantenany ny tahotr'i Amerika an'i Al Jazeera. Mitovy amin'ny Wikileaks.

Misy ihany koa ny fanentanana natomboky ny fantsona mihitsy mba handrisihana ny Amerikana hangataka ny Al Jazeera amin'ny teny Anglisy any amin'ireo mpamatsy hosina azy ireo. Miresaka ny angano sy ny zava-misy ny fanentanana ary mamela ireo mpiserasera mba hampiditra ny kaody paositr'izy ireo sy handefa taratasy any amin'ny mpamatsy hosina nosafidian'izy ireo manokana.

Tsy mazava ny antony handràrana ny Al Jazeera ao Etazonia, na dia teo aza ireo zava-nitranga vao haingana, tsy afaka omena tsiny intsony manoloana ny fangatahana izy. Tamin'ny 30 Janoary, nisioka ny talen'ny tranonkalan'ny fantsona, Mohamed Nanabhay hoe:

55% of our Al Jazeera English (http://english.aljazeera.net) web traffic is from the US and Canada tonight. #egypt

Avy ao Etazonia sy Canada ny 55% tamin'ny mpijery ny tranonkalan'ny Al Jazeera anay amin'ny teny Anglisy androany alina. #egypt

Sary avy amin'i Mike Licht, NotionsCapital.com, navoaka teo ambanin'ny zon'ny mpamorona Creative Commons Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0) license.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.