· Jolay, 2013

Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Jolay, 2013

Al Jazeera Voampanga Ho Mitati-Baovao “Mitongilana” Ao Ejipta

  09 Jolay 2013

Nifantohan'ny maso ny Al Jazeera tao Ejipta amin'izay lazain'ny maro fa fitantarana "mitongilana" nataony nandritra sy taorian'ny fanonganana ny filoha ejipsiana teo aloha Mohamed Morsi tamin'ny 4 jolay. Voampanga ho nifamato-dra tamin'ny Mpirahalahy Miozolomana ka nanao ho mpitondrateniny ity fantsona miorina ao Qatar ity.

Hoy Ejipta : “Tsy Fanonganam-panjakana io”

  07 Jolay 2013

Ny fitsabahan'i Etazonia amin'ny raharahan'ny Ejiptiana - sy ny resaka resahan'ny filazam-baovao anaty aterineto, indrindra ny CNN, mikasika ny fivoarana ara-politika ao Ejipta - no namaivay be ny alina lasa teo. Nahitàna fankalazana nanerana ny firenena ny fanalàna ilay filoham-pirenena Mohamed Morsi taorian'ny herintaona nitondràny, teo ihany koa ny andianà herisetra nifanaovan'ireo mpanohana sy mpanohitra an'i Morsi.

Ejipta : Ady Amin'ny Herisetra Ara-nofo Eo Amin'ny Kianja Tahrir

  07 Jolay 2013

Ny andron'ny tsingerintaona voalohany nitondran'ilay Filoha teo aloha Mohamed Morsi, Ejiptiana an-tapitrisany no nanao hetsika ho fanoherana ny fitondrany. Raha iny nihafeno iny ny kianja Tahrir, izay ivon'ny revolisiona Ejiptiana tao afovoan-tanànan'i Kairo, dia nijoro nanohitra ny herisetra ara-nofo atao amin'ireo vehivavy mpanao hetsi-panoherana ireo fikambanana miady amin'ny herisetra ara-nofo. Nahitàna fitomboany mantsy ny herisetra ara-nofo nandritra ilay famoriam-bahoaka farany teo alohan'io, indrindra fa teo amin'ny kianja Tahrir.

Mifandona Manerana an'i Ejipta ny Mpanohana sy Mpanohitra an'i Morsi

  06 Jolay 2013

Nitranga androany 6 jolay 2013 ny fifandonana nahiana indrindra eo amin'ny mpanohana ny Mpirahalahy Miozolomana sy ny mpanao fihetsiketsehana niantsony ny hanonganana ny filoha ejipsiana teo aloha Mohamed Morsi. Tantarain'ny fantsona fahitalavitra ao amin'ny firenena sy iraisampirenena ny toe-javatra. Farafahakeliny 17 ny olona maty ary mihoatra ny 400 ny mpanao fihetsiketsehana naratra nandritra ny fifandonana manerana an'i Ejipta androany, izay maro amin'ny ao tambajotra sosialy no milaza azy ho "nandrasana" sy "tsy fahita."

Tian'ny Ejipsiana Haongana ny Fitondrana

  05 Jolay 2013

Nomarihin'ny vahoaka Ejipsiana ny [30 Jona] ny fahatsiarovana ny nitondran'ny filoha Mohamed Morsi voalohany ny firenena, miaraka amina famoriam-bahoaka goavana nanerana an'i Ejipta, niantsoana azy handao ny toerany. Fampielezan-kevitra manohitra an'i Morsi atao hoe Tamarrod [ar], izay midika hoe fanoherana, no manamafy fa 22 tapitrisa ireo sonian'olon-tsotra voaangona hatramin'izao, izay miantso fifidianana filoha haingana. Ny 25 Janoary 2011, nanohitra ny fifehezana nandritra ny 32 taona nataon'i Hosni Mubarak ireo vahoaka Ejipsiana. Valoambinifolo andro taty aoriana, nametra-pialàna i Mubarak. Nandritra ny fotoana nisian'ny tetezamita, nentin'ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika Mitam-piadiana [CSFA] i Ejipta. Taorian'ireo fifidianana, Morsi, ilay kandidàn'ireo Mpirahalahy Silamo, no naka ny toeran'i Mubarak, nanjary filoha ny 30 Jona 2012. Ankehitriny, midina andalam-be indray ireo vahoaka Ejipsiana mangataka an'i Morsi hiala sady hamarana ny fitondran'ireo Firahalahiana Silamo any Ejipta.

Ny Tantara Ambadiky ny Lahatsary [Hosoka] Nisamborana an'i Morsi

  04 Jolay 2013

Nisy lahatsary nampiseho izay nolazalazaina ho fisamborana ny filoha ejipsiana teo aloha Mohamed Morsi mitety ny aterineto amin'izao fotoana izao. Efa nisy namoaka tamin'ny YouTube tamin'ny 21 mey 2013 ihany io lahatsary notononina io ka nitondra ny lohateny hoe "Ny fotoana nisamborana ny filoha Mohamed Morsi sy ny zanany lahy."

Naongan'ny Ejipsiana i Morsi sy ny Fitondran'ny Mpirahalahy Miozolomana

  04 Jolay 2013

Tapaka hatreo ny herintaona nitondran'i Morsi, taorian'ny fihetsiketsehana lehibe nanerana an'i Ejipta niantso azy hiala nanomboka tamin'ny 30 Jona. Ny komandin'ny Tafika Ejipsiana Abdel Fattah Al Sisi no nanambara nandritra ny mivantana minitra vitsivitsy lasa izay fa ny Lehiben'ny Fitsarana Momba ny Lalampanorenana Adly Mansour no ho filoha vonjimaika vaovao ary hantsangana ny governemanta teknokraty nasionaly. Nilaza ihany koa i Al Sisi fa mihantona ny Lalampanorenana ary hokarakaraina ny fifidianana filohampirenena sy solombavambahoaka.