Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Janoary, 2011
Ejipta: Ao amin'ny Twitter, ny fikarohana an'i Wael Ghonim
Ao amin'ny Twitter, maneho ny ahiahiny mikasika ilay Ejiptiana mpitoraka bilaogy sady mpitantana ny Google Middle East, Wael Ghonim, izay tsy hitananomboka ny Alakamisy 27 Janoary tao anatin'ny fihetsiketsehana tao Cairo ireo namany .
Ejipta: Miara-dàlana Amin'ny Vahoaka ve ny Tafika?
Following massive protests across Egypt today, the army was deployed to enforce a night time curfew. On Twitter, the news was received with surprise, with reports that the army was on the people's side. Following is a selection of tweets from across the region.
Ejipta an-tsary: Avy eny an-dalamben'i Cairo
Rehefa tsy eny an-dalamben'i Cairo, dia mampakatra sarin'ireo fihetsiketsehana mba hozaraina amin'izao tontolo izao ilay mafàna fo mpiaro zon'olombelona sady mpiara-miasa amin'ny Global Voices Advocacy, Ramy Raoof. Ao anatin'ity lahatsoratra ity no izarnay ny sary nalefan'i Raoof avy ao Cairo.
Shina: Mampita ireo vaovao avy any Ejipta

Ny 28 Janoary, rehefa nitondra fanamarihana mikasika ny toe-draharaha ara-politika any Ejipta ny mpitondra tenin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny Sinoa dia niteny fa hitohy hanohana ny governemanta Ejiptiana amin'ny fihazonana ny lamina...
Iran: Mampahatsiahy indrindra ny “hetsika maitso” tany Iran ny fijoroana any Ejipta
Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny Fanoherana any Ejipta 2011. Ho an'ny ankamaroan'ny mpamaham-bolongana Iraniana dia mampahatsiahy indrindra ny “Hetsika Maitso” tany Iran taorian'ny fifidianana tamin'ny 2009 ity Hetsi-panoherana Ejipsiana sy...
Tontolo Arabo : Media vaovao sy ny fanehoan-kery ataon'ny Ejiptiana
Miandry am-panahiana izay mety ho fivoaran'ny toe-draharaha any Ejipta ny tontolo Arabo. Androany, naka sisiny ny media mahazatra hatramin'izay fa ny media an'ny vahoaka no mahazo laka. Raha mitana toerana...
Siria: Mpampiasa Aterineto Mirohotra Manohana Ireo Ejiptiana Mpanao Fihetsiketsehana
Raha mbola misonga miakatra hatrany ny haromotan'ny hetsika handrodànana ny fitondran'i Mubarak ao Ejipta, manao izay ho afany hanohanana ny mpanao fihetsiketsehana amin'ny lafiny rehetra ny Siriana.
Ejipta: Tatitra momba ny herisetran'ny mpitandro filaminana, Fisamborana ary bàla tena izy
Betsaka ny tatitra milaza fisamborana sy antsojay ary herisetra ataon'ny polisy no mipoitra, raha miditra amin'ny andro fahatelon'ny hetsika ry zareo Ejiptiana. Misy ihany koa tatitra mikasika famoizana aina saingy tsy mbola ananana ny antsipirihany sy ny tena antontan'isa marina.
Ejipta: Fanoherana an-dahatsary ny 25 Janoary
Nidina an-dalamben'i Kairo sy ny tanàna Ejipsiana maro hafa ny mpanao fihetsiketsehana ny talata 25 janoary teo izay andro tsy niasana, “Andron'ny Polisy”, hanoherana ny 30 taona nitondran'olo-tokana nanjakan'ny Filoha Muhammad Hosni Mubarak. Maro amin'ny mpitazana no nahatsikaritra ny fahabangan'ny tatitra ataon'ny gazety be mpanaraka, saingy nanangona andian-dahatsary ao amin'ny Youtube kosa ny olo-tsotra.
Ejipta: Fa Misy Inona ao Suez?
Maro ny tatitra mikasika ny fifandonanan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana no mivoaka avy ao Suez, 129km atsinanan'i Cairo renivohitra, sady mafy sy mazava, raha miditra indrindra amin'ny andro fahatelo ny hetsika rehetra manerana an'i Ejipta. Miaraka amin'ny fahatapahan'ny tambajotra finday, manjavozavo ho an'ireo mponin'ny aterineto ny vaovao. Ny fanontaniana mipoitra dia ny hoe: Fa misy inona ao Suez?