Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Janoary, 2018
Egypta: Nohelohina Ny Renim-pianakaviana Iray Noho Ny Famorany Ny Zananivavy
Tamin'ny 23 May 2008, tao anaty lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe The Victimization of Egyptian Women and Children (Ny Fanaovana Lasibatra ny Vehivavy sy ny Ankizy Egyptiana) , dia noresahana ny momba an'i Fantasia - tovovavy iray izay nanonofy mba hanana hoavy tsara kokoa ho an'ireo vehivavy Egyptiana....
Ny Lahatsarin'ny Fifandonana Tao Egypta
Nitodika tany Egypta ny mason'izao tontolo izao , tamin'ny andro faha-10 nanaovana ny fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana. Hita fa nitombo be ny hafatra tao amin'ny Twitter sy ny fandefasana sary sy lahatsary, izay mampiseho ny toe-javatra nisy teny an-dalamben'ny Egyptiana
Syria-Gaza : Fahatezeran'ireo Bilaogera Syriana
Maneho ny tsy finoany manoloana ny fanafihan'ny Tafi-piarovana Israeliana (IDF), izay nidaroka baomba sy nampiteraka korontana tao Gaza natao fahirano, ary koa manoloana ny fihetsiky ny iraisam-pirenena ny tontolon'ny blaogy.
Arabia Saodita : Vely Karavasy Miisa 1500
Nanameloka ilay dokotera Egyptiana Raouf Amin 15 taona an-tranomaizina sy vely karavasy in-1.500 i Arabia Saodita noho ny fanomezana ny printsy vavy Saodiana ny fanafody mampiankin-doha raha mbola niasa tany amin'ny hopitaly Saodiana iray izy.
Tatitry ny Mpisera : Indray Andro Any, Hanana Zo Hahazo Fitsaràna Ve Ireo Ejiptiana Mpikatroka?
Anatin'ity laharana ity : famonjana mandritra ny fotoana maharitra ao Ejipta ;sivana sy kabary feno fankahalàna ao Azia ; fibahanana ny Skype ao Qatar...
Ejypta: Mifarana Ny Fifidianana Ary Zavatra Hafa Indray
Tapitra ihany ny fifidianana tao amin'ny Antenimieram-bahoaka (antenimieram-pirenena ao amin'ny Parlemanta Ejypsiana). Miaraka amin'ny vokatra mahagaga sy fiafarana mihoso-drà, izay mety hiteraka adihevitra ara-politika mafàna ao Ejypta ao anatin'ny dimy taona manaraka.
Ejipta: Finaonaon-tsaka Tsara Indrindra Ho An'ny Filoha Mubarak
Tsy tara amin'ny fanararaotana ny fampiasana ireo fitaovana media sosialy maro eo ampelatanany ireo Ejiptiana. Manisy maso mikasika ny fomba hanetsehana ireo blaogera sy ireo mpampiasa tambajotra i Marwa Rakha mba hanesoana lohateny iray ao anaty gazety mpivoaka isanandro.
Ejipta: Manova Zavatra ireo Bitsika #Top50Eg
Nampiasain'ireo Ejiptiana mpibitsika tao amin'ny Twitter ny tenifototra hoe #Top50Eg. Tarek Amr no mitondra antsika hitety ny tontolon'ny Twitter Ejiptiana mba hilazàna ny momba izany amintsika.
Ao Ejipta, Samy Mbola Mihatra Ao Amin'ny Firenena Ny Herisetra Ara-nofo Sy Ny Fampanambadiana Ankizy
"Olana goavana ao Ejypta ny herisetra amin'ny fanararaotana ara-nofo. Asehon' ireo fanadihadiana fa efa tratran'izany avokoa ny ankamaroan'ireo vehivavy, [...] Tena efa latsa-paka tanteraka ity olana ity.