Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Marsa, 2018

Tondraky Ny Onjan-drano i Egypta 

Faritra sy tanàndehibe maro no tondraka noho ny fiakaran'ny rano tampoka sy ny oram-baratra tany Egypta.

Ejypta: Milaza ny Tantarany Ireo Bilaogera Nogadraina

Bilaogera Ejiptiana 20 mahery teny an-dalana hanome voninahitra ny fianakavian'ireo niharam-boina tamin'ny vono olona Coptic no voasambotra raha tonga tao an-tanànan'i Naga Hammady ao Ejypta ny fiara-dalamby nandehanan'izy ireo. Noafahana izy ireo fotoana fohy taorian'izay ary milaza ny tantarany amintsika.

Egypta: Ny Tranonkalan-gazety El Koshary

Nankasitrahan'ireo bilaogera ny tranonkalam-baovao mpanesoeso vaovao malaza iray nosokafana tany Egypta. El Koshary, izay nomena anarana hoe sampam-baovao azo antoka indrindra ao Egypta.

Egypta: Milaza Zavatra Betsaka Ny Lahatsary

Miomana amin'ny andro faha-efatra amin'ny fihetsiketsehana ny governemanta Egyptiana. Nandefa teny fampilazana sy nizara lahatsary tamin'ny Aterineto ny mpikatroka. Nihetsika ny governemanta tamin'ny alàlan'ny fanakatonana ny tambajotra iray manontolo. Famintinana vetivety ireo lahatsary nalefa tao amin'ny Youtube mandrisika ny olona hanatevin-daharana ny hetsi-panoherana notontosaina ny andro Zoma.

Egypta: Mijery Ireo Lohahevitra Nozaraina Tao Amin'ny Twitter (2011)

Nitana andraikitra ara-pitaovana ny Twitter tamin'ny fitazonana izao tontolo izao hanaraka ny fandrosoana farany indrindra tany Egypta, izay nahitàna ny andro fahaefatry ny fihetsiketsehana manohitra ny fitondran'ny filoha Hosni Mubarak nandritra ny 30 taona.

Egypta: Nahavita Niala Tamin'ny Fanakanana Ny Aterineto Ny Lahatsary Roa 

Nahasarotra ny fandefasana sary momba ny zava-nitranga tao Egypta ny fahatapahan'ny Aterineto sy ny tambajotra finday tany Egypta tao anatin'ny andro vitsivitsy , saingy nahavita niodidina izany ny horonantsary sasany.

Egypta: Ny Hira Rap-n'ny Revolisiona

Mampahafantatra antsika ny tarika mpihira rap Egyptiana antsoina hoe Arabian Knightz izay maniry ny hanaparitaka ny fomba fijeriny momba  ny hetsika mitranga ao amin'ny fireneny ny Mideast Tunes.

Eman Hashim Mibilaogy Manohitra Ny Berlitz Ejypta

Nanimba ny lazan'i Berlitz Ejypta ve ny kolikoly? Nanoratra tao amin'ny facebook sy tao amin'ny bilaoginy ilay bilaogera Ejiptiana Eman Hashim, manontany tena ny amin'ny fomba nahazoan'ny mpianany ny naoty sy ny mari-pahaizana kanefa tsy nanome na ny naoty na ny taratasim-panadinana ho azy ireo mihitsy izy.

Palestina/Gaza: Fiomanana Ho Amin'ny Diaben'ny Fahalalahana ao Gaza

Ny 31 Desambra 2009, natao ny Diabem-pahafahana ao Gaza mba hanamarihana ny faha-herintaona ny "Operation Cast Lead", fanafihan'ny Israeliana an'i Gaza.

Tsy Afaka Mifandray Sy Miantso Vonjy Ny Mponina Ao Sinay, Saikinosy Egyptiana Noho Ny Fahatapahan'ny Tambajotra

"Tsy afaka nampandre ny trangana fahafatesana vokatry ny fanafihana na ny ratra mahazo azy ireo ireo mponina any avatr'i Sinay ary voafetra ny fidiran'izy ireo amin'ny tolotra vonjy taitra" raha tsy nisy ny tambajotram-pifandraisana.