Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Jolay, 2010
Ejipta: An-dalam-paharendrehana ve Ejipta?
Namoaka tatitra manokana momba an'i Ejipta sy ny hoaviny taorian'ny Filoha Hosni Mubarak ny The Economist, olona voatondro ho marary sain'ny taonjato faha-21 any Afovoany Atsinanana. Manana izay nolazainy ireo Ejiptiana mpitoraka blaogy.
Ejipta: Ireo lehilahy sy vehivavy tsy tokony hifanomezanao fotoana
Izay natomboky ny Ejiptiana iray mpitoraka blaogy tao amin'ny Twitter ho toy ny fandinihana fotsiny ihany momba ny vehivavy tsy tokony hifanomezanao fotoana dia namadika ity sehatry ny fitoraham-bolongana kiritika ity ho tanin'ady. Tweets maro avy any Ejipta sy avy amin'ny lafintany rehetra no niditra an-tsehatra nanampy ireo mpifanandrina. Mitatitra izany avy any ambava-ady i Tarek Amr.
Egipta: mpitoraka blaogy navotsotra rehefa voatana an-tranomaizina nandritra ny roa taona mahery
Zanakavavin'i Mos'ad Abu Fagr Taorian'ny fitanana azy an-tranomaizina nandritra ny telo taona teo ho eo izay, dia novotsorina tamin'ny Talata, 13 Jona, 2010 ihany ilay mpitoraka blaogy Ejiptiana Mus'ad Abu...
Egypta: Miketrika valifaty ny Minisitry ny atitany
Nampiasa ny media amin'ny aterineto ireo mafana fo Egyptiana amin'ny fampiharihariana tanteraka ny kolikoly sy ny fampijaliana ataon'ireo mpitandro ny filaminana. Marwa Rakha manoratra mikasika ny fihetsehan'izy ireo niseho vao haingana ary manala sarona ny tranga mikasika ny mafana fo Egyptiana iray voatazona tany Libya ato amin'ity lahatsoratra ity.
Afovoany Atsinanana: Veloma mandrakizay ry Saramago
Misaona sy mitomany ny fahafatesan'ilay mpanoratra Portiogey Jose Saramago ireo mpitoraka blaogy any Moyen-Orient. Apariak'i Tarek Amr ny fihetseham-pon'izy ireny.