Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Septambra, 2014
Navotsotra Ilay Bilaogera Ejyptiana Alaa Abd El Fattah Rehefa Nandòa Onitra

Navotsotra ilay mpikatroka sady bilaogera Ejypsiana Alaa Abd El Fattah rehefa nandòa onitra saingy mbola lava sy mikitoantoana ny lalana amin'ny raharaham-pitsarana hoy ny mpiserasera.
Mpisolovava Mitaky Ny Famotsorana An'ilay Bilaogera Ejipsiana Alaa Abd El Fattah Any Am-ponja

Nanao fanangonan-tsonia nalefa tany amin'ny Vondron'asan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanagadrana Tsy Amin'ny antony (UNWGAD) ny Media Legal Defence Initiative (MLDI) sy ny Electronic Frontier Foundation (EFF) mba handray izay fepetra rehetra ilaina ho famotsorana tsy misy hataka andro an'ilay bilaogera Ejipsiana, Abd El Fattah.
Alaa Abdel Fattah, Ejiptiana Mpikatroka Mafana Fo Malaza, Mitokona Tsy Mihinan-kanina
Nilaza tamin'ny fanambaràna nalefa tamin'ny Facebook androany ny fianakaviany, fa niditra tamin'ny fitokonana tsy mihinan-kanina tsy misy fetrany ilay lehilahy Egiptiana mpikatroka mafana fo sady mpitoraka bilaogy, Alaa Abdel Fattah, mandra-pamotsotra azy any am-ponja.