Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Novambra, 2012
Ejypta: Miala ny Mpangeja -Fizarana Fahatelo!!
Amin'izay faritana ho andiany fahatelo amin'ny revolisiona Ejypsiana, nidina an-dalambe indray ny Ejypsiana manerana ny firenena fa tsy i Kairo ihany mba hampita hafatra goavana fa vonona izy ireo hanongana izay...
Nanaisotra Mubarak Iray Ve i Morsi Dia Manapaka Aterineto Ao Amin'ny Kianja Tahrir ?
Mitatitra fahatapahan'ny aterineto ireo Ejiptana mpikirakira aterineto manodidina ny kianja Tahrir, ilay fon'ny revolisiona Ejiptiana. Io dia mitondra ho ao an-tsaina avy hatrany ny zava-nitranga tamin'ny andro faharoan'ny fanombohan'ilay revolisiona Ejiptiana rehefa notapahana ny fahafahana miditra aterineto tao Ejipta ny 26 Janoary 2011
Tontolo Arabo: Inona No Hiova Amin'ny Fahalanian'i Obama Fanindroany?
Lany ho filoham-pirenena amerikanina fanindroany i Barack Obama nefa ahoana ny fandraisan’ireo mpampiasa aterineto any amin’ny tontolo arabo izany? Indro misy pitiny kely tamin’ireo bitsika tao amin’ny Twitter taorian’ny fahalaniany indray. Mizarazara ny fihetseham-po, raha faly noho ny politika ivelan’i Etazonia any an-toerana ny ankabeazany, ny hafa kosa dia faly satria nandresy i Obama.
Ligy Arabo Mikasika An'i Gaza: “Blah Blah… Blah Blah Blah”
Mihaona ao amin'ny foibeny ao Kairo ny Ligy Arabo mba handinika ny momba an'i Gaza - ary tsy avy miaina ireo mpikirakira aterineto, na miandrandra vokatra tsara amin'ny mety ho fandraisana fepetra henjana.. Sultan AlQassemi tweets: "Fanavaozam-baovao mivantana avy amin'ny fivorian'ny Ligy Arabo momba ny herisetra ataon'i Israely ao Gaza: Tsy leferinay ny blah blah! Tsy maintsy izahay hijoro miaraka amin'ny blah blah bah.."
Manoratra Ny Lalàny (laika) Azy Manokana Ny Ejiptiana .. Ao Amin'ny Twitter
Mamolavola ny lalàna laika azy manokana ireo Ejiptana - ao amin'ny Twitter. Nanomboka izany rehetra izany rehefa injay i Mahmoud Salem - antsoina hoe Sandmonkey - nanao ity soso-kevitra manaraka ity nony nahatsikaritra fa tsy misy fanajana mihitsy an'ireo olona laika ireo Islamista sady mihevitra azy ireny ho mifanohitra amin'ny Islamista sy olom-pehezin'ny tsy Miozolmana. Tao an-daharana tao, tsy ela akory dia niakatra avy any ny tenifototra #شريعة_العلمانية [ar] (Lalàna laika), ary dia nalaza teny amin'ny rehetra niaraka tamin'ireo soso-kevitra mikasika izay ho endrik'ity (lalàna) "sharia" vaovao ity ho an'ireo olona laika.
Maika Hihaona Momba an'i Gaza Amin'ny Ahoana ny Ligy Arabo?
Nandefa fampiantsoana ny Filan-kevi-piarovana ao amin'ny Firenena Mikamba ary nanatontosa fivoriana maika tamin'ny Alarobia alina teo mba hiresaka momba ny fanafihana an'habakabaka niseho farany teo tao Gaza, sy ny vokadratsin'ny...
Nahomby ny Fitokonan'ny Mpiasan'ny Metro tao Kairo
Tafaverina indray ny metro ao Ejipta – taorian'ny fitokonana naharitra efatra ora. Tao amin'ny sampan-draharahan-damasinina, izay afaka mitondra olona 2 tapitrisa isan'andro manerana an'i Kairo, niato tamin'ny asany ireo saoferan-dalamby...
Ejipta: Hijanona Eto Ve Ny Vetaveta Anaty Aterineto?
Anivon'ireo olana manery indrindra ny firenena amin'izao fotoana izao ny ady mitohy mikasika ny lalàm-panorenana Ejiptiana amin'ny hoavy sy ny fitokonan'ireo mpiasan'ny fahasalamana Ejiptiana izay naharitra iray volana mahery ... sa izy ireo mihitsy no loha-laharana? Araka ny fantatra dia nanapa-kevitra ny Mpampanoa lalàna fa mila teatra bebe kokoa ny vahoaka ary nanambara fa hanomboka hisakana ireo vohikala mamoafady i Ejipta.
Handrara ny Habaka Mamohafady i Ejipta
Nanambara [ar] i Ejipta androany fa horàrana ny fidirana amin'ny habaka mamohafady. Niadihevitra momba izany tao amin'ny Twitter ny mpiserasera, izay nanombana karazana sivana izay hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny fahalalaham-pitenenana...
Tontolo Arabo: Midika Fahatezeran’Andriamanitra Amin’i Amerika Tsy Tokam-po i Sandy
Satria ao New York sy New Jersey avokoa ny mason’izao tontolo izao mba hanaraka ny vaovao momba ny tafio-drivotra Sandy, sy ny fahapotehana naterany, miadihevitra ny mponina maro manerana ny...