Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Marsa, 2019
Egypta: Nekena tamin'ny fomba ofisialy ny fanaraha-maso ny mailaka

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Na dia liana kokoa momba ny politikan'ny governemanta Egyptiana tamin'ny famerana ireo andian-tafika nalefa tany Gaza aza ny fampitam-baovao...
Egypta: nanjavona ny bilaogera iray raha mbola voatazona any am-ponja ny iray hafa na dia teo aza ny didin'ny fitsarana

Nanjavona nanomboka ny Zoma 21 Novambra 2008 ilay bilaogera Mohammad Adel izay mitantana ny bilaogy Maeit ( efa maty! ) . Araka ny notaterin'i Wael Abbas tao amin'ny Twitter , voalaza fa hihaona amin'ny mpanao gazety Amerikanina iray mba hanatontosa antsafa i Adel saingy tsy nipoitra izy.
Ejypta: Maikel Nabil, bilaogera voalohany nogadraina hatramin'ny 25 Janoary 2011

Nitokona tsy nihinan-kanina nanomboka ny Alatsinainy 22 Aogositra i Maikel Nabil, bilaogera Ejiptiana voalohany nogadraina hatramin'ny nanombohan'ny revolisiona 25 Janoary. Nijanona tsy nisotro rano i Maikel tamin'ny 30 Aogositra. Nentina tany amin'ny hopitaly izy roa andro taorian'ny tsy fahatsiarovan-tena (coma) nahazo azy.
Ejypta: Nolavin'ny tribonaly miaramila ny fampiakarana fitsarana nataon'i Alaa Abdel

Nolavin'ny tribonaly miaramila ao Kairo tamin'ny (3 Nov) ny fampiakarana fitsarana napetrak'ilay bilaogera menavazana Alaa Abdel Fattah ho an'ny famotsorana azy eo am-piandrasana ny fanadihadiana. Nogadraina tamin'ny 30 Oktobra nandritra ny 15 andro i Abdel Fattah rehefa tsy nety nataon'ny fitsarana miaramila fanadihadiana, ary nanizingizina ny zony hohadihadian'ny fitsarana sivily.
Nanampy trotraka ny hetsika manohitra ny tribonaly miaramila ny fampiantsoana ilay Bilaogera Ejiptiana

Ry sakaiza sy kamarady ny fomba hanampiana ahy tsara indrindra dia ny mitabataba momba ny tsy rariny mihatra amin'ny sivily miatrika tribonaly miaramila eto Ejipta.
Netizen report : Lohataonan'ireo Lalàna Manohitra Ny Heloka Bevava Atao Amin'ny Aterineto

Mipoitra manerana izao tontolo izao ireo lalàna momba ny heloka anaty aterineto, mianga any Ejipta ka hatrany Pakistana, mandalo an'i Tanzania. Mandritra izany fotoana izany, nataon'i Shina ho zavatra tsy ara-dalàna ny fampiasàna 'avatar mampiahiahy' ary ianjonan'i India kosa ny Facebook.
Ejipta : Nosamborin’ny tafika ary navotsotra avy eo i Wael Abbas
Nosamborin'ny tafika nandritra ny adiny iray teo ho eo ilay bilaogera fanta-daza mpiaro ny zon'olombelona Wael Abbas ka nahatonga ny namany sy ny olom-pantany nihetsika tamin'ny fikarohana azy. Nafahana izy taorian'izay. Ankoatra izany, mbola tsy misy vaovao momba ilay mpiasan'i Google Wael Ghonim, izay nanjavona ny 25 Janoary 2011.