Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Marsa, 2011
Ejipta: Baolina kitra (fandaka) nialoha sy taorian'ny Revolisiona
Nandritra ny taona vitsivitsy izay, ny baolina fandaka na football (soccer) no loharanon-kafalian'ny Ejipsiana voalohany. Ny ekipam-pirenena Ejipsiana no efa nahazo ny amboaran'i Afrika intelo misesy notontosaina tany Ejipta, Ghana...
Syria: Mpi-tweet Ejipsiana-Amerikana voampanga ho manao asam-pitsikilovana
Nosamborina tany Syria ary naseho tamin'ny televiziona Syriana ho mpitsikilo ny mpisera Twitter Ejipsiana-Amerikana Muhammed Radwan (@battuta), mpitsikilo lazaina fa nitsidika an'i “Isiraely miafina sady efa nanaiky fa nandray vola avy any ivelany...
Hollaback!Fampiasaina finday hisorohana ny herisetra eny an-dalambe
Tranga tsy mbola fahita tany aloha ahafahana mampitsahatra herisetra ara-nofo eny an-dalam-be ny fisian'io "fipoahana teknolojia teo amin'ny finday io". Namporisika ny vehivavy manerana izao tontolo izao mba hampiasa an'ireo fitaovana eo am-pelantanan''izy ireo ireo io tetikasa io mba ahafahan'izy ireo mizara ny tantarany, manao tatitra sy mamaritra ny toerana nitrangan'izany toe-javatra izany.
Tontolo Arabo: Boky Torolalan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy
Nivoaka izao ny Boky Torolàlan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy, ary efa any anaty Twitter amin'ny fotoana anoratako. Ao amin'ny Twitter, nanjohy an'i Iyad Elbaghdadi ny mpampiasa Twitter sasany hanambatra ireo fialàna bàla henontsika hatrizay avy amin'ny governemantan'ireo firenena Arabo nahitàna fihetsiketsehana nangatahana ny fiovan'ny mpitondra sy fanavaozana nanomboka tamin'ny fitroaran'ireo Toniziana tany amin'ny faramparan'ny taona 2010 tany. Na dia sahala amin'ny hoe nalaina mivantana avy tany anaty tantara an-tsary mampihomehy ireny izy ireny, dia mbola manana mpihaino sy mpanohana hatrany ry zareo any amin'ny fireneny any.
Ejipta: Hitan'ilay mpamily Taxi tamin'ny alalan'ny facebook ny tompon'ny fakantsary very
Inona no mety ataonao raha mahita fakantsary ianao, ka hamerina azy amin'ny tompony? Tamin'ny fomba ejipsiana no nanaovan'ilay mpamily taxi ejipsiana iray azy ka nampiasa ny aterineto izy - ary nivaly vetivety izany.
Lahatsary: Sarintany Fitadidiana Fotoana Maneho Ireo Hetsika sy Fitroarana Amin'ny Ankapobeny
John Caelan avy amin'ny vohikala The Swamp Post dia namorona lahatsary roa somary nafainganina fandeha maneho an-tsarintany ny fihetsiketsehana nanomboka tamin'ny 18 Desambra ka hatramin'ny 7 Martsa 2011, izay ahitàna ny fihetsiketsehana sy ny fitroarana mihànaka manerana ny firenen-tsamihafa.
Tonizia : Tsy nankasitrahana ny fitsidihan'i Hillary Clinton
Fanadihadihana manokana mikasika ny Tonizia taona 2011 ity lahatsoratra ity. Tao anatin'ny roa volana izay naha-voaongana ny Filoha Toniziana teo aloha Ben Ali noho ny fihetsiketseham-panoherana revolisionera, tsy latsaky ny...
Syria: Hetsi-panoherana Ho Fanafahana Ireo Gadra Politika, 38 No Voasambotra
Tamin'ny 15 Martsa, nanaraka ny "Androm-pahatezerana" tao Syria, andian'olona 150 teo ho eo, mpanao fihetsiketsehana, no nifamory teo ivelan'ny Ministeran'ny Atitanytao Damaskaosy, nangataka ny hamotsorana ireo gadra politika rehetra. Raha kely indrindra dia 38 tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ireo no voasambotra.
Tontolo Arabo: Mifaninana amin'ilay fifaninanana antsoina hoe Arabisk ireo mpitoraka bilaogy
Miady ny loka azo amin'ny fifaninanana amin'ny "Ny bilaogy Arabo tsara indrindra " (Arabisk) ny mpitoraka bilaogy Arabo. Eo amin'ny ambaratongan'ny fitsarana amin'izao ny fifaninanana. Tsaraina amin'izao ireo bilaogy 20 voalohany nozaraina ho sokajy efatra, ary ampahafantarina amin'ny fiandohan'ny volana Aprily ny valin'ny fifaninanana. Manan-kambara betsaka i Haifa Al Rasheed momba io fifaninanana io.
Ejipta: Findain'i Ayman Nour nisy nangalatra sy Tweet tsy izy
Ayman Nour, izay isan'ireo nifaninana ho filoham-pirenena Ejiptianina tamin'ny taona 2005, dia nandefa ity tweet manaraka ity ny Asabotsy 5 Febroary, teo amin'ny 3 ora maraina teo ho eo: @ayman_nour:...