· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Aogositra, 2012

Ejipta: #DearEgyptAir (#EgyptAirMalala), Tolotra Mendrika Azafady

Tato anatin'ny taona vitsy dia hita mazava fa raha toa ka misy olona manana feo avo ary be ny mpihaino azy — tsy ilaina intsony ny manamarika hoe manana fahaizana mihanihany — dia afaka ampiasaina tsara ny fampahalalam-baovao sosialy ho sehatra enti-manova.. Tamin'ny Alarobia, nampiasa ny Twitter ry zareo Ejiptiana mba hitarainana— sy hivazivaziana— mikasika ny zotram-piaramanidim-pirenena "Egypt Air".

15 Aogositra 2012

Ejipta: Maizina Ao Kairo

Hafa kely ny lohataona ao Ejipta tamin’ity. Iharan’ny fahatapahan-jiro sy rano miverimberina isan’andro ireo distrika samihafa tao anatin’izay volana vitsy izay. Ary amin’izany, mbola tsy nisy ny fanambarana mazava avy...

11 Aogositra 2012

Jordania: “Rehefa Nitsiky i Monaliza ” Dingana Iray Mankamin'ny Sarimihetsika Erantany

Vao haingana ireo mpamokatra ny sarimihetsika "Rehefa Nitsiky i Monaliza" dia nizara ho an'ny daholobe ny traikefan-dry zareo tao anaty fijerena sarimihetsika iray manokana tany Amman, renivohitra Jordaniana. Ilay sarimihetsika mahatsikaiky dia mitantara ny tantaram-pitiavana nisy teo amin'i Monaliza, tovovavy tanora Jordaniana, sy Hamdi, Ejiptiana miasa ho fanirakiraka. Maneho hevitra momba ilay sarimihetsika ireo Fordaniana bilaogera.

08 Aogositra 2012

Ejipta: Mankalaza An'i Curiosity Sy Ilay Lehilahin'i Mars – Dr Essam Heggy

Mankalaza ny asa sy ny fiainan'i Dr Essam Mohamed Heggy, izay mpikaroka ao amin'ny NASA ihany koa, manampahaizana momba ny siansan'ny planeta ary isan'ireo ao anatin'ny tarika siantifika nirotsaka amin'ny fikarohana momba ny fiainana eny amin'ny planeta Mars ireo Ejiptiana manaraka manaraka ny dian'ny Mars Curiosity rover.. Ireo fanehoan'kevitra ao amin'ny Twitter dia manamarika fa omen'ny any ivelany lanja kokoa ny traikefan'i Heggy

08 Aogositra 2012

Ejipta: Ahmed Shafik Mandà Ny Fanendrena Avy Any UAE, Ao Amin'ny Twitter

Nirotsaka nampiasa ny Twitter i Ahmed Shafik, Praiminisitra Ejiptiana teo aloha mba hanehoany hevitra momba izay heveriny ho 'tsaho' mikasika ny fanendrena azy ho mpanolotsain'ny Filohan'ny Emira Arabo Mitambatra. Maro ireo mpikirakira aterineto no nibitsika sy namerina nandefa ny bitsika momba ilay tantara vaovao nilaza ny fanendrena an'i Shafik. Shafik, izay Praiminisitry ny Filoha Ejiptiana teo aloha Hosni Mubarak, dia niasa teo anelanelan'ny 31 Janoary 2011, sy 3 Martsa 2011, tena tao anatin'ny Revolisiona Ejiptiana mihitsy. Efa isan'ny mpifaninana ho filoha Ejiptiana ihany koa izy teo aloha.

07 Aogositra 2012

MENA : Mandray Ny Ramadany

Vao nanomboka indrindra ny Ramadany, volana fahasivy ao amin'ny tetiandron'ny Silamo. Io dia fotoana ifadian'ireo Silamo hanina manomboka ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany, mba hanakaikezana kokoa an'Andriamanitra ary Hankalazana ny fahasoavany. Manerana izao tontolo izao, ireo Silamo dia nanao izay hakàna ny fanahin'ilay volana anaty sary maromaro, nizara azy ireo tanaty karazana vohikalam-pifandraisana sosialy isan-karazany

05 Aogositra 2012