Ejypta: Lehilahy Bilaogera Ejypsiana Manafatra “Hymen” Tsy Voajanahary

(Fanamarihana: efa nivoaka tamin'ny volana Oktobra 2009 ity lahatsoratra ity tamin'ny teny anglisy)

Raha nandefa ny dikan'ny Fitaovana Hymen ho an'ny maha-Virjiniy Artifisialy amin'ny teny Arabo ny Radio Netherlands, raha nanambara ny gazety Youm7 fa ho hita eny amin'ny tsena Ejypsiana amin'ny vidiny 83 Livra Ejypsiana ny vokatra, raha te handràra ny vokatra sy handefa an-tsesintany na hanapa-doha  izay mpanondrana ireo parlemanta konservativa; raha niteraka tabataba tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Ejypsiana izany, tsy maintsy mividy iray fotsiny i Mohamed Al Rahhal.

Raha ndeha haka ny entany any amin'ny paositra izy:

it had been opened by various puzzled customs and postal employees who, at a loss, defined the product in writing as “containing an unknown red liquid” – and awaited my description.

Nosokafan'ireo mpiasa marobe tao amin'ny paositra sy ny fanditseranana sanganehana izany, izay namaritra ny vokatra tamin'ny fanoratana azy ho “ahitana rano menamena tsy fantatra” — ary niandry ny famaritana avy aty amiko.

fakehymen

Nilaza tamin'izy ireo izy fa “fandokoana tarehy (maquillage) hanaovana sarimihetsika” izany ary nitondra ny entana nody izy avy eo:

Such is the “hymen”: a 5x7cm folded piece of plastic – of albumin, the notice promptly corrects me – covered on one side by dark red ink. Placed in the vagina before sex, the plastic hardens slightly, and rips upon intercourse. A few drops of “blood” will stain the sheets, preserving the woman's, her family's, or society's “honour”.

Whether it does actually work or not I cannot answer. The complete absence of medical information on the product, as well as online accusations that this product can cause infections, made me unwilling to give it to a volunteer to test.

Tahaka izao ny ‘“hymen”: tapaka plastika navalona 5x7cm, ahitana alibimina, hoy ny filazana amin'ny taratasy nanitsy ahy. ary rakotra ranomainty mena eo amin'ny lafiny iray. Apetraka ao anaty fivaviana alohan'ny firaisana ara-nofo, mihamafy kely ilay plastika, ary rovitra  mandritra ny firaisana ara-nofo. Misy rà kely miteté avy eo mandoto ny lambam-pandriana, manavotra ny “voninahitry” ny vehivavy, ny fianakaviany na ny fiarahamonina.

Tsy fantatro raha mahomby tokoa izany na tsia. Ny tsy fisian'ny fanazavana feno avy amin'ny mpitsabo mikasika ny vokatra, sy ny fiampangana amin'ny aterineto fa mety hiteraka aretina ity vokatra ity, no nahatonga ahy hanome izany ho an'izay vonona hanandrana izany.

Tsy tian'i Mona El Tahawy ny hoe tezitra sy voahelingelina noho ny hymen sandoka ny Ejypsiana. Manoloana ireo korontana natrehin'i Ejypta tato ato — ny fiakaram-bidim-piainana, ny filoha teo amin'ny fitondrana nandritra ny 28 taona izay toa azo antoka fa handimby azy ny zanany lahy, sns. — inona no anton'izao tabataba momba ny hymen, tena izy sa sandoka izao ?

Tongasoa amin'ny fihatsarambelatsihy sy ny fandavàna mitepo miaraka ao am-pon'ny fomba fijery  ara-pivavahana konservativa momba ny vehivavy sy ny fahadiovam-pitondrantena. Ary mikasika an'i Ejypta, mitovy ny fanaon'ny Miozolomana sy ny Kristianina mpandala ny mahazatra.

Amin'ny maha Miozolomana ahy, fantatro fa ny mitory (mitady) fahadiovam-pitondratena ho an'ny lehilahy sy ny vehivavy ny Korany, saingy ny fieritreretana be ara-konservativa momba ny vehivavy dia midika fa ny vehivavy ihany no tokony hanaja ny fandraràna momba ny firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambadiana. Ny fieritreretana be loatra ny maha-virjiny dia marivo amin'ny tsara indrindra sy mahafaty amin'ny ratsy indrindra.

Mohamed El Rahhal miampanga mafy :

the hypocrisy that allows us to discriminate against 50% of the society while giving a free pass to the other half. I am against forcing women to go such lengths, sometimes endangering their health, to allow us to delay a long-awaited national moratorium on gender relations.

Morality is worst interpreted by anatomy. And if we're waiting upon a small piece of plastic to define morality, then we've already failed – and ought to find a better definition.

ny fihatsarambelatsihy izay mamela antsika hanavakavaka ny 50% ny fiarahamonina raha manome fahafahana ho an'ny antsasany hafa. Manohitra ny fanerena ny vehivavy handeha lavitra tahaka izany aho, indraindray mampidi-doza ny fahasalamany, mba ahafahantsika manemotra ny fandinihan'ny firenena efa nandrasana hatry ny ela mikasika ny firaisana eo amin'ny lahy sy vavy.

Raisina amim-pahadisoana toy ny anatomia (rafi-batana) ny fitondran-tena. Ary raha miandry hoe tapa-plastika kely no mamaritra ny fitondran-tena, dia efa tsy nahomby isika –  ary tokony hahita famaritana tsara kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.