Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Jolay, 2011
Ejipta: Fa Nahoana No Ny 8 Jolay?
Niverina indray eo amin'ny kianjan'ny Tahrir ny Ejiptiana, ivon'ny revolisionan'izy ireo indray androany. Nefa inona no mbola takian'izy ireo amin'izao revolisiona efa vita izao, tsy eNiverina tamin-kery eo amin'ny kianjan'ny Tahrir indray androany ny Ejiptiana, ivon'ny revolisionan'izy ireo. Fa inona no mbola takian'izy ireo amin'izao revolisiona efa vita izao, efa tsy eo amin'ny fitondrana intsony i Mubarak, ary tsy efa betsaka amin'ireo tànan-kavanany teo amin'ny fitondrana ve no any amponja? a tsy eo amin'
Ejipta: Fahatsiarovana ny Tolona Manohitra ny (rafitra) Fampijaliana
Raha manamarika ny andro iraisam-pirenena manohitra ny Fampijaliana izay nitontona ny 26 jona teo izao tontolo izao, dia nitodika tao Ejipta avokoa ny maso, satria misy dikany manokana ho an'ny olona...
Ejipta: Nahemotra ny Fitsarana Ireo Namono An'i Khaled Saeed
Khaled Saeed, tovolahy avy any Alexandria nambara fa maty teo am-pelatanan'ireo mpitandro filaminana tamin'ny volana Jona raha araka ny tatitra, dia lasa sary famantarana ny Revolisiona ao Ejipta. Nandrehitra ny tsy fahafaliana teo amin'ireo tanora Ejiptiana nandritra ireo herinandro lasa ny famonoana azy, nahatonga ny sarin'ny vatany voavely mafy hiodina be tao amin'ny aterineto nitondra nankamin'ny revolisiona. Niatrika fitsarana ireo mpitandro filaminana voampanga ho namono azy androany. Ireto manaraka ireto ny fihetseham-po vitsivitsy taorian'ny fanemorana ny raharaha ho amin'ny 24 Septambra.
Hijab: “Hosalorana ve sa Hoesorina?”
Somary midadasika ihany ny lohahevitra noresahina mikasika ny “tontolon'ny Hijab” [sarondoha fisalotry ny vehivavy Arabo], saingy vao haingana, dia nisy lahatsoratra bilaogy hafa mifandraika amin'izany izay miresaka lohahevitra manokana somary...