Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Jona, 2013
Manafika Ny Fonenan'Ireo Shiita Ao Ejipta Ny Salafista, Efatra No Maty
Mpikambana Ejiptiana efatra ao amin'ny antokom-pivavahana Shiita no namoy ny ainy tao Ejipta androany tamin'ny fanafihan'ireo Salafista ny fiangonan'izy ireo, taorian'ny fihantsiana nataon'izy ireo tamin'ny Shiita nandritry ny roa herinandro. Araky ny filazan'ireo tatitra maro isan-karazany, nodorana sy notafihina ny fiangonan'ny Shiita tany Giza sy Kairo. Ny Al Badil News dia mitatitra ny fijoroana vavolombelon'ny avy tao amin'ny tranom-paty izay milaza [ar] fa novonoina ny iray tamin'ireo olona maty ireo ary ny telo ambiny naratra mafy ny lohany. Nahatonga fahatezerana tanaty aterneto izany tranga mahatsiravina izany.
Aostralia: Saritaka Ara-Piarovana Noho ny Fitadiavan-tSesintany Nataona Ejipsiana VoahelokaIray
Nampirehidrehitra ny fifampitolomana politika ao anatin'ny fifidianana mananontanona amin'ny 14 septambra 2013 ho avy io ny fiampangana mpialokaloka Ejipsiana iray ho ‘mpampihorohoro jihadista’. Efa ho herintaona izao no nitazonana an'i...
Mikasa “Handrodana Ny Fitondrana” ny Ejipsiana Amin'ny #June30
Hiverina eny amin'ny tahakala voaloko indray ny Ejipsiana, mandrafitra fihetsiketseha-panoherana “handrodanana ny fitondrana” amin'ny 30 jona. Ny daty izay mivezivezy any amin'ny tambajotran-tserasera amin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #June30 no manamarika...
Fanagadrana Ho An'ny Mpiasan'ny ONG ao Ejipta
Niteraka fahatezerana tany amin'ny tambajotra an-tserasera – sy eny amin'ny andavanandrom-piainana ny namoahana ny didy ho an'ny mpiasan'ny ONG Ejipsiana sy vahiny 43 izay hogadraina hatramin'ny dimy taona. Heverina ho...