Egypta: Nisy Vidiny Ihany Ny Tolon'ny Mpanatontosa Sarimihetsika

(Marihina fa tamin'ny 18 Aprily 2009 no nivoaka voalohany ny lahatsoratra teny anglisy)

ein-shams

Afaka hijery ny sarimihetsik'i Ibrahim El Batout Ein Shams [Ar] (Mason'ny Masoandro) ho toy ny sarimihetsika Egyptiana ihany ny farany ireo mpijery sarimihetsika Egyptiana amin'ny faran'ity volana ity rehefa niharan'ny sivana.nandritra ny fotoana lava.

Nitolona tamin'ny sivana i El Batout, ilay Egyptiana sady mpitantana no mpamokatra sarimihetsika mahaleotena miavaka indrindra rehefa nanomboka nanatontosa ny horonantsariny faharoa izy . Nanapa-kevitra ny hanohitra ny sakana ilay mpitantana ary nanomboka nanatontosa ny horonantsary tsy nahazoana alàlana. Toy izao ny fanazavany ny antony tao anatin'ny antsafa niarahana tamin'ny Gazetiboky Art Review :

The film was made in a different way. Without the censors’ Permission. I filmed it and am asking them now to see it so that I'd screen it. They don't want this. They want you to inform them of the film from the point of just thinking about it

Tamin'ny fomba hafa no nanatontosana ny sarimihetsika. Tsy nisy Fanomezan-dàlana avy amin'ny mpanivana. Nataoko izany ary mangataka azy ireo aho ankehitriny mba hijery izany ahafahako mandefa azy. Tsy nety izy ireo. Fa tian'izy ireo ianao hilaza aminy momba ny horonantsary mba hieritreritra momba izany fotsiny .

Araka ny hita tao amin'ny vondrona Facebook-n'ny sarimihetsika, nahazo loka fanta-daza maro ny Ein Shams. Anisan'izany:

Winner of The Golden Tauro Best film Award in Taormina Film Festival.
Winner of Best First Film Award in Roterdam Arab Film Festival.
Winner of Special Jury Mention in Carthage Film Festival.

Mpandresy tamin'ny Lokan'ny Sarimihetsika Tsara Indrindra The Golden Tauro  tao amin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika Taormina .
Mpandresy tamin'ny Lokan'ny Sarimihetsika  Voalohany Tsara Indrindra tao amin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika Arabo tao Roterdam .
Mpandresy nahazo ny Fankasitrahan'ny Mpitsara Manokana tao amin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika tao Carthage.

Na izany aza, nanapa-kevitra ny hanome alàlana ny horonantsary ho alefa ao Egypta ny mpanivana tamin'ny fepetra fa atao ho toy ny sarimihetsika vahiny ilay izy, fifanarahana izay nolavin'ny mpitantana.

Niakam-peo i Joseph Fahim tao amin'ny lahatsoratra nalefa tao amin'ny bilaogin'ny sarimihetsika :

ان السخرية الاعظم تكمن فى ان فيلم عين شمس تم اختياره فى للعرض فى مهرجان كان السينمائى فى مايو المقبل ، مما يعنى ان هناك امكانية كبيرة فى عرض الفيلم تجارياً فى اوروبا ومناطق اخرى ولكن ليس فى مصر.
“Tena maneso izany. Voafidy ho alefa any amin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika any Cannes ny Ein Shams amin'ny volana May, izay midika fa  manana fahafahana ho alefa any Eoropa sy any an-toeran-kafa manerana izao tontolo izao ny sarimihetsika fa tsy eto Egypta “

Kanefa toa hita fa tsy izany no mitranga ankehitriny.  Efa nalefa tamin'ny fantsona fahitalavitra Egyptiana ny dokambarotry ny sarimihetsika ary ireo mpakafy izany eto Egypta, izay mangetaheta ary miandry ny sarimihetsik'i El Batout mampientanentana manaraka dia afaka hijery izany tsy ho ela any amin'ny trano fijerena sarimihetsika akaiky azy ireo .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.