Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Septambra, 2018
Ejipta: Taratasy Iray Vaovao An'ny Blaogera Voafonja, Blaogera Roa Nafahana, Nanjary Nalaza Be Ireo Fiarahana Manao Blaogy
Tao anatin'ny fanangonana an'ireo blaogy Ejiptiana tamin'ity herinandro ity: mandefa taratasy iray hafa avy ao am-ponja i Karim Amer, blaogera voafonja, maneho ny maha irery azy sy ny fihetsehampony mikasika ny tsy rariny, navotsotra avokoa ireo blaogera voasambotra tamin'ity herinandro ity, sarimihetsika tao amin'ny foiben'ny antoko Al-Ghad, ary ny lazan'ny zava-misy amin'ny fiarahana manao blaogy ao Ejipta.
Egypta: Veloma ry hafatry ny Twitter
Nifoha tamin'ny vaovao mampalahelo i Egypta fa tsy mandefa hafatra miainga amin'ny SMS any amin'ny firenena vitsivitsy intsony ny Twitter, anisan'izany i Egypta.
Ejipta : Ravan’ny afo ny foiben’ny ‘’Antokon’ny Rahampitso’’
Ho tohin’ny andiana trano may nitranga tao Ejipta dia indro entina amintsika indray ny tantaran’ny fahamaizana trano iray hafa izay nitranga tao amin’ny foiben’ny antoko politika Hizb al-Ghad (Antokon’ny Rahampitso) tao Kairo.
Fahombiazan'i Egypta tany amin'ny Lalao Paralaimpika
Niteraka resabe tany Beijing, Shina anatontosana ny Lalao Paralaimpika tamin'ny 6 ka hatramin'ny 17 Septambra 2008 ireo atletan'i Egypta. Raha nandrombaka ny medaily alimo tamin'ny Lalao Olaimpika tany Beijing i Egypta dia nahitana fahombiazana tsy toy ny hafa ireo atleta tamin'ny Paralaimpika.
Egypta: Abu Tarika
Fanatanjahatena sa politika ? Manazava ny fomba ataon'ny mpilalao baolina kitra Egyptiana mba hanaovana ny feony ho re eny an-kianjan'ny baolina kitra i Eman Abd Al Rahman.
Egypta: Wikimania 2008 | Alexandria
Nosafidian'ny mpitsara Wikimania ho mpandresy manoloana ireo mpifaninana miavaka roa hafa, Atlanta sy Cape Town i Alexandria.
Sioka avy any Beirota: Andro faharoa tamin'ny Atrikasan'ny Bilaogera Arabo
Nanomboka tamin'ny famelabelarana momba ny Herdict Web ny andro faharoa tamin'ny Atrikasan'ny Bilaogera Arabo, tranonkala iray izay mampiasa ny crowdsourcing mba hanangonana ny tatitra momba ny sivana amin'ny aterineto avy amin'ireo mpisera manerantany.
Atrikasan'ny Bilaogera Arabo : Ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter ny andro voalohany
Raha nanatona ny fiafarana ny andro voalohany tamin'ny Atrikasan'ny Bilaogera Arabo Faharoa izay fanao isan-taona dia nojerena ny fomba fijerin'ny mpandray anjara nandritra ny tontolo andro mba hamantarana ny zavatra azony sy ny fihetseham-pony.
Mpanoratra asongadina : Eman AbdElRahman
Ny mpandray anjara Egyptiana ato amin'ny Global Voices i Eman AbdElRahman, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Lasto Adri, mavitrika amin'ny tetikasa antsoina hoe Kolena Laila izay natolony tao amin'ny Fihaonamben'ny Bilaogera Arabo Faharoa tany Beirota, Libanona.
Ejypta: Kapoka karavasy in-80 = Firenena ambany
Inona no mitranga rehefa manambatra mpanao didy jadona kivy, mpitarika ara-pivavahana mpanao kolikoly, feon'ny mpanohitra ary firenena iray marefo ianao? Firaisankina tsy mandeha araka ny tokony ho izy eo amin'i Hosni Mubarak, Oniversite Al Azhar University ary ny fanamelohana manohitra ny fahalalahana eo amin'izy ireo, hoy ireo bilaogera Ejiptiana.