· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Oktobra, 2018

Kambodja: Fahatsiarovana Ny Fanafahana Sa Ny Fananiham-bohitra?

  12 Oktobra 2018

Ny 7 janoary 1979, nesorina teo amin'ny fahefana ny fitondran'ny Khmer Rouge tao Kambodja. Voampanga ho nikotrika ny fandripahana Kambodjiana marobe maherin'ny iray tapitrisa ny fitondrana kaominista. Tamin'ny faran'ny herinandro, nanamarika ny tsingerintaona faha-30 taonan'ny fianjeran'ny Khmers Rouges ny governemanta Kambodjiana (amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy rehetra). Saingy nizarazara ny hevitra mba hahalala raha toa io andro io tsy maintsy ho marihana ho toy ny fanafahana na ny an'ny fananiham-bohitra, satria i Vietnam, izay nanampy tamin'ny fanonganana ireo Khmers Rouges, dia nibodo an'i Kambodja hatramin'ny taona 1988.

Libanona: Fanontaniana Azo Ambara Ho Tsy Politika

  06 Oktobra 2018

Inona no hanintsika? Nahoana ireo bankintsika no miroborobo? Iza no mandraoka an'ireo baomba miparitadritaka? Ahoana no hanampian'i Brezila amin'ny fanodinana ireo fako libaney? Nankaiza ireo ankizy izay voafandrika teny anelanelan'ireo tifitry ny andaniny sy ankilany nateraky ny ady? Ary mozika kely koa. Ireo no fanontaniana vitsivitsy izay ahitàna valiny any anatin'ny fijerena ny tontolombolongana libaney tamin'ity herinandro ity. Ndeha atombontsika amin'ireo fanontaniana telo momba ny fisiana napetrak'i Mazen Kerbaj [En]. Ao anatin'ny asa eto ambany, manontany izy manao hoe "Iza isika? Iza no mahalala? Iza no hameno ny banga?"

Sri Lanka: Fipoahana baomba sy fitohizan'ady

  01 Oktobra 2018

Maty novonoin'ny LTTE ny parlemantera ambony iray sady iray amin'ireo minisitra manan-danja indrindra tao amin'ity governemanta ankehitriny. Heverina fa nanafin-tava ho toy ny mpihazakazaka amin'ny Marathon ilay mpidaroka baomba. Manome vaovao farany fohy momba ny tranga ny DefenseNet saingy niteraka adihevitra mafana ilay lahatsoratra.