· Mey, 2008

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Mey, 2008

Libanona: Miverina amin'ny fisamatsamahana ara-pivavahana

  14 Mey 2008

“Terena matetika, tsy araka ny sitrapony, indray ankehitriny ny olona, hiverina amin'ny fisamatsamahana ara-pivavahana misy azy ho fiarovan-tena. Mahavaky fo ny tsirairay matetika ny fiantraikan'io fisamatsamahana io,” hoy ny soratry Manuela Paraipan miresaka amin'izay iainany mandritra ny fifanandrinana mitranga any Libanona.

Libanona: Didy hitsivolan'ny governemanta noravana

  11 Mey 2008

“Nanambara ny famerenana an'Atoa Wafiq Shuqair ho lehiben'ny fiarovana ny seranam-piaramanidina indray KOmandin'ny tafika ary izy no hiandraikitra ny fanadihadiana momba ny seraseram-pifandraisan'ny Hezbollah ‘nefa tsy ho voakitika ny momba ny fitolomana (resistance)’, hiangavy ny mitam-piadiana rehetra hiala amin'izay ka hosokafana amin'izay ny lalana rehetra,” hoy ny tatitry In the...

Libanona: Fahavaratra mafana

  11 Mey 2008

“Andro mafana mahafinaritra indrindra eto Libanona… nivadika ho ady an-trano ny filaharam-pihetsiketsehana… matahotra aho. Omaly raha nandre ny tifitra nifamaliana mihamanakaiky ny trano aho dia tsy sahy nitsangana, tsy sahy nihazakazaka, tsy afa-nihetsika akory aza!!” Hoy i NightS raha nanoratra izay niainany nandritra ny zava-nitranga farany tany Libanona izy.

Libanona: Toy ny voafahirano

  11 Mey 2008

“Mipetraka eto Ras El-Nabeh aho, izay tena nampahery vaika ny fifandonana nandritra ny roa andro farany teo, ary isaorana andriamanitra fa efa mihamiverina ny filaminana ary efa voafehin'ny tafika libaney ny toe-draharaha. Na izany aza anefa dia mbola tsy niasa aho noho ny tahotra fandrao tsy ho tafaverina an-trano eo!...

Libanona: Foibe TV hitsangana voaroba

  11 Mey 2008

“Nitomany araka izay tratry ny heriko aho raha nandre fa tandindonin-doza ny tanàna ravan'i(vohitra haolo) Baalbek. Tsy mampivarahontsana ihany fa mahatsiravina ihany koa, toa hoe potika tanteraka avokoa ny tahirin-kevitra, tahirintsary (tahiry 18 taona) ary tahirom-peon'ny foibem-pampielezantsary (TV) iray vao saiky hisokatra!” voasoratry Mirvat momba ny fahapotehana trano fampielezan-tsary iray.

Libanona: tsy mifankahazo ny resaka

  10 Mey 2008

“…fifandraisana tsara aro tany amin'ny tany tsy azo idiran'ny olona hafa ary nanampy ny mpitolona niady tamin'ny miaramila Isiraeliana niaraka tamin'ny fitaovany harifomba nandritra adin'ny fahavaratra 2006 ilay fifandraisandavitra ifaneraseran'ny Hezbollah manokana niteraka ny fifanandrinana farany teo” hoy ny GPC nilaza ny anton'ny ady mitranga ankehitriny any Libanona.

Afrika : Mirongo basy ravahana raozy

  09 Mey 2008

Khadija Sharife no miresaka momba ireo [mety ho] tombotsoa ara-miaramila hoan'ny Amerikana any Afrika : According to the US African Command website, Somalia -– invaded by US backed Ethiopian troops in Jan 2007, under the guise of hunting Al–Qaeda –- is in desperate need of assistance. “Araky ny flazan'ny vohikalan'ny...