· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Marsa, 2013

Tokony Havela Ho Ara-Dalàna Ve Ny Toaka Any Libya?

Miady hevitra amin'ny tokony hamelana ho ara-dalàna ny toaka na tsia ao amin'ny fireneny ny mpiserasera Libyana - taorian'ny nahitana fa mihoatra ny 50 ny olona matin'ny toaka vita tao an-toerana efa simban'ny methane. Mbola misy olona hafa mihoatra ny 470 ihany koa no nampidirina hopitaly hotsaboana, ka nampafana ny adi-hevitra amin'ny tokony hanesorana ny fandrarana ny toaka hampanara-dalàna azy, mba hahafahana misoroka ny voina tahaka izao mbola hitranga.

Ilay Tsara Tarehy sy ilay Biby Tsy Voafehy? Naharomotra Ny Nasionalista Rosiana Ilay Oliravina “Foko Hafa” Nandresy

Tahaka ny tsy niomana mialoha handresy tamin'ny fifaninanana Oliravina Rosia ilay 18  taona Elmira Abdrazakova tamin'ny Asabotsy 2 marsa 2013 farany teo. Raha izany  manko dia efa tsy nataony hitam-bahoaka mialoha ny mombamomba azy tao amin'ny tambajotra Rosiana VKontakte. Amin'izao fotoana lasa nanaisotra manontolo ny mombamomba azy izy. Nihalehibe tao...

Fandrarana ny Vishwaroopam : Fanitsakitsahana ny Fahalalaham-Pitenenana?

  10 Marsa 2013

Vishwaroopam, sarimihetsika andaniana volabe ao Bollywood notantanina sy niaraha-tontosaina tamin'i  Kamal Haasan, no nameno ny lohateny lehibe tamin'ireo gazety na dia talohan'ny nivoahany aza – saingy amin'ny endrika ratsy rehetra. Nisy disadisa tamin'ny antoko politika Haindò Makkal Katchi ity tantara ity ny volana jona 2012 teo, noho ny fitakian'ny antoko...

Melohin'ny Fiangonana Katolika Ny Lalàna Fanamombàna Any Panama

  09 Marsa 2013

Namoaka lalàna izay mamela ny vehivavy 23 taona no miakatra izay manan-janaka roa na mihoatra hisafidy malalaka ny ho momba ny Antenimieram-Pirenena Mpanao lalàna tamin'ny 23 febroary 2013. Nolazain'ny Fiangonana Katolika ho fepetra mihoa-pefy izany ary nangatahany ny hanasiam-panovàna. Mandritra izany, mizarazara ihany koa ireo Panameana, ho amin'ireo mahita ilay lalàna ho tsara ary ireo izay mitsipaka azy.