· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Avrily, 2012

Miezaka Ny Hiditra Indray Ao Shina Ve Ny Facebook?

  03 Avrily 2012

Niverina avy any Shina ny Tale Jeneralin'ny Facebook, Mark Zuckerberg. Maro ireo mpanao gazety tany an-toerana sy ireo mpiondana aterineto no nahatsikaritra azy sy ny sipany, Priscilla Chan, tao Shanghai tamin'ny Talata lasa teo, 27 Martsa, ary indray mandeha indray, niparitaka toy ny afo ny honohono tany anaty aterineto: Mikarakara ny hiverenany indray ao Shina ve ilay mpanjakan'ny tambajotra sosialy?

Rosia: Mba Hampangarahara Kokoa Ny Fampiasàn'ny Irak'i Etazonia Ny Twitter

Michael McFaul, Masoivohon'i Etazonia (US) any Rosia, nampiasa ny kaonty Twitterany tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity mba hanehoany ny ahiahiny fa voahitsakitsaka ny arofenitra diplomatika rehefa nahita ny fandaharam-potoanany nivoaka tany amin'ny mpanao gazetin'ny fahitalavitra NTV ny fandaharam-potoanany, tetikasa mikasika na orinasa mpamokatra entona voajanahary, Gazprom an'ny fanjakana. Efa niresadresaka mikasika ireo ezaky ny fitondran'i...