· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Janoary, 2013

2012: Taonan'ny Fikomiana sy ny Fivoaran'ny Fiaraha-monina Any Amin'ny Firenena Mpiteny Frantsay – Fizarana Faharoa

  18 Janoary 2013

Hotohizantsika asiana fizarana faharoa ny Tamberin'ny 2012 ho an'ny firenena mpiteny ampahany na manontolo ny teny frantsay. Raha nifototra tamin'ny fikomiana mitam-piadiana sy ny tetikasam-piaraha-monina mifandraika amin'ny krizy ara-toekarena ny fizarana voalohany tamin'ny tamberin'ny taona 2012 (izay hitanao ihany koa  ato) [mg] , ny fizarana faharoa kosa miompana amin'ny fikomiana sivily...

Madagasikara: Nahoana Rajoelina No Tsy Nilatsaka Hofidiana Ho Filohampirenena?

  17 Janoary 2013

Taorian'ny fanambaran'ny filohan'ny tetezamita Rajoelina tsy ho kandidà izay nanaraka ny an'ny filoha teo aloha Ravalomanana tamin'ny desambra 2012, hanana filoha vaovao izany ny malagasy amin'ity taona 2013 ity, ka hoe hotontosaina araka ny fotoana efa niomanana ny datim-pifidianana. Maro ny mpanara-baovao no tsy dia matoky loatra amin'ny fanatanterahana ny fifidianana...

Andron'ny Fampihavanana Ao Atsimon'i Yemen

Vahoaka an'arivony avy amin'ny faritany enina ao atsimon'i Yemen no niara-nirohotra tao an-tanànan'i Aden nandritra ny andro vitsivitsy ho fandraisana anjara amin'ilay fetiben'ny “fampihavanana sy fifamelana”. Mankalaza ny fahatsiarovana ny ady an-trano tao Atsimon'i Yemen taloha izay niseho tamin'ny tamin'ny taona 1986 ny fetibe. Ny ady an-trano dia nifanandrinan'ny mandatehezana roa...

Tsy Misy Fahazoan-dàlana Hivoaka: Miteny Ireo Kiobàna Any Am-pielezana

  16 Janoary 2013

aorian'ireo vinavina, nitranga ihany ilay izy nony farany. Nofoanan'ny governemanta Kiobàna ny filàna fahazoan-dàlana hivoaka - indrindra fa ny fanomezan-dàlan'ny fanjakana - handao ny firenena. Ireo bilaogera, avy amin'ny Kiobàna any am-pielezana no ankamaroan'izy ireny, dia nizara ny fomba fisainany mikasika ity fivoaran-draharaha vaovao ity.

Vory Lanona Mamonjy ‘Fitroaran'ny Olom-pirenena’ Ireo Maleziana

  15 Janoary 2013

Folo an'arivony ireo tonga namonjy ny ‘Himpunan Kebangkitan Rakyat’ (adika ara-bakiteny hoe Fitroaran'ny Fivoria'ny Olom-pirenena) ao Kuala Lumpur, Malezia ny andron'ny 12 Janoary 2013, izay nokarakarain'ny Firaisamben'ny Mpanohitra Pakatan Rakyat ka nampitombo ny heriny izy ireo amin'izao fotoana mialoha ilay fifidianana faobe nambara fa hotanterahina amin'ity taona ity. Nanasongadina ny...

Sazy Henjana An-tranomaizina No Azon'ireo Bilaogera Vietnamiana “Mpanohitra”

  14 Janoary 2013

Olona 14 no nosamborin'ireo manampahefana Vietnamiana rehefa avy nanatrika fampiofanana tao Bangkok izay nokarakarain'ny Antoko Reformista Vietnamiana na Viet Tan,  satria voalaza fa nandray anjara tamin'ny “hetsika mikendry hanongam-panjakana.” Mpianatra eny amin'ny katolika, bilaogera ary mpikatroka ny zon'olombelona avokoa ny ankamaroan'ireo olona voasambotra. Tamin'ny 9 Janoary teo, nampangain'ny fitsarana ao...