Arzantina: Neken'ny Antenimierandoholona Ny Fanambadiana Eo Amin'ireo Mitovy Fananahana

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2010)

[Rohy amin'ny fiteny anglisy, raha tsy misy filazàna mifanohitra]
Nohamafisin'ny antenimierandoholona arzantina ny lalàna iray izay mandrafitra ny miralenta eo amin'ny satan'ny fanambadiana, tsy misy fanavahana eo amin'ireo mpifankatia samihafa fananahana sy ireo mitovy fananahana ary ankoatra izay koa, ireo fitoviana zo amin'ny fananganana. Amin'ity fepetra ity, i Arzantina no firenena voalohany indrindra ao Amerika Latina nanome alalàna ny fanambadiana eo amin'ireo mpikambana mitovy fananahana. Nankatoavina tamin'ireo latsabaton'ny tsirairay tao amin'ireo antenimierandoholona ilay lalàna, nomen'ireo antoko isankarazany fahalalahana izy ireo hanaiky na handà ilay lalàna.

Niadiana hevitra be tao amin'ny Twitter ilay lohahevitra, izay ny tenifototra hoe #matrimoniogay [fanambadiana pelaka] no nipetraka ho lohahevitra iray amin'ireo olana tena nanehoana hevitra be indrindra manerantany nandritra ireo ora maromaro. Nahafahantsika nijery an'ireo bitsika maro mikasika io lohahevitra io izany,  marobe avy amin'ireo mpampiasa aterineto avy aminà firenena hafa ao Amerika Latina izay nizara ihany koa ireo heviny mikasika io lohahevitra io. Ity manaraka ity ny fantina iray tamin'ireo bitsiky ny mpiandany amin'ilay volavolan-dalàna

A los creyentes: ya está, si dios permitió que se apruebe es porque no tiene problemas con el #matrimoniogay así que aflojen con el rezoless than a minute ago via web

Ho an'ireo mpino: Raha sitrak'Andriamanitra ny nankatoavina ity lalàna ity, dia midika izany fa tsy manana olana amin'ny #matrimoniogay izy, noho izany ajanony any ireny vavaka rehetra ireny.

Haber despertado con la noticia de la aprobación del #matrimoniogay me hace sentir orgullosa de vivir en un país que busca la igualdad

Ny famohazana ahy amina vaovao iray hoe nankatoavina ny #matrimoniogay dia manjary mampirehareha ahy miaina anaty firenena manohana ny fimiràna.

Que bonito! parabéns, Argentina. Grande exemplo pra América Latina. #matrimoniogayl

Mahafinaritra! Arahabaina Arzantina! Ohatra tsara ho an'i Amerika Latina.


¡Felicidades Argentina! a seguirle el paso a los vecinos… #matrimoniogay #argentina Perdieron el mundial pero la ganaron en igualdad

Arahabaina Arzantina! Hanjary hanaraka ny ohatrao ireo manodidina anao. Mety tsy ho azonao angamba ny Amboara erantany, fa mpandresy kosa ianao amin'ny resaka fimiràna.

#matrimoniogay Vivimos en un país mejor que el de ayer.

Ankehitriny miaina ao anaty firenena iray mendrika izahay, izay tsy toa izany taloha.

Afaka hita ihany koa teo amin'ny Twitter ireo fanehoankevitra manohitra ny fimiràna eo amin'ny satan'ny fanambadiana – ireo sasany mifototra amin'ireo hevitra ara-pivavahana manokana – saingy vitsy kokoa raha oharina amin'ireo maneho hafaliana noho ny nankatoavina ilay lalàna. Ireto ny ohatra vitsivitsy:


No tengo nada en contra de la union del mismo sexo, pero les recuerdo que Dios creo al hombre y a la mujer para que formen una familialess than a minute ago via Twitter for iPhone

Tsy manana olana n'inona n'inona aho momba ny firaisan'ireo mitovy fananahana, saingy avelao aho hampatsiahy aminareo fa namorona lahy sy vavy Andriamanitra noho ny antony iray, mba ho afaka hanangana fianakaviana izy ireo.


Argentina se convierte en el Primer Pais Latino y Suramericano en aprobar la Legalidad del Matrimonio Gay en un Codigo Civil… Que asco!less than a minute ago via Twitter for BlackBerry®

i Arzantina  no hanjary firenena voalohany ao Amerika Atsimo sy Amerika Latina nanaiky ny fimiràna eo amin'ny fanambadian'ny mitovy fananahana ao anaty lalàna sivily… Tena maharikoriko!

Vao haingana no lany ilay lalàna, mbola tsy dia betsaka ireo lahatsoratra nalefa mikasika an'io lohahevitra io, saingy azonareo vakiana eto amin'ireto ireo fanehoankevitra miabo vitsivitsy: : Es la gente, estúpido; Artepolítica; 100 Volando, ary Hernán Haines. [amin'ny fiteny espaniôlà].

Tamin'ny latsabato voalohany tao amin'ny Antenimierampirenena [amin'ny fiteny frantsay] sy ny fanapahankevitry ny Antemierandoholona, adihevitra goavana no teraka teny anivon'ireo mpikambana amin'ireo Fikambanana, toy ny fiangonana katolika izay manohitra ny fimiràna eo amin'ny satan'ny fanambadiana ary, manome hevitra ho an'ny fitazonana an'ireo lalàna fanavakavahana mifototra amin'ireo finoana ara-pivavahana. Namondrona olona miisa 50 hatramin'ny 60 ireo vondrona ireo mba hanao fihetsiketsehana izay natao ny 13 jolay teo. Azonareo vakiana eto ireo hevitra vitsivitsy mikasika io: Argentavis [amin'ny fiteny espaniôlà] ary Baradero Hoy [amin'ny fiteny espaniôlà].

Ny fanaingoana ity lahatsoratra ity dia “Diabe ho an'ny lalàna mikasika ny fanambadian'ny mitovy fananahana ao Arzantina  an'ilay mpampiasa Flickr Globovisión, nampiasàna ny lisansa Creative Commons.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.