Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Janoary, 2019
Côte d'Ivoire: Tatitra Tafaporitsaka sy Lazaina fa Mikasika Kolikoly, Navoaka Tety Anaty Aterineto ary Nitarika ho Amin'ny Fisamborana Mpanao Gazety Telo
Araka ny nambaran'ny bilaogin'ny " Le Nouveau Courrier", telo ireo mpanao gazety avy amin'ny gazety ivoariàna mpiseho isanandro no nosamborina hatramin'ny Talala 13 Jolay noho ny namoahany tatitra iray tafaporitsaka lazaina fa momba ny kolikoly mikasika ny fandraharahàna kakaô sy kafe ao Côte d'Ivoire.Tamin'izay maraina izay, polisy nanao fanamiana sivily namita iraka nampanaovin'i Raymond Tchimou Fehou, lehiben'ny fampanoavana no tonga nisambotra an'ireo mpanao gazety telo - Saint Claver Oula, toniandahatsoratra, Stéphane Guédé mpamoaka lahatsoratra ary ny tale jeneraly Théophile Kouamouo - izay samy nentina hogadraina rehefa nandà tsy hanoro izay loharano nahazoany ny vaovao nandritra ny fitsidihana tampoka natao tao amin'ny biraon'ny Le Nouveau Courrier
Dimampolo taona taorian'ny hetsik'izy ireo tamin'ny 1968, tohizan'ireo Meksikàna mpianatra ny dian'izy ireo anoherana ny herisetra sy ny tsimatimanota
"Zafikelin'ny 68 izahay". [...]misy andro, herinandro, volana izay afaka mahafehy taona marobe [...]
Afrika: Manolo ny Zava-drehetra ny Fanantenana
Tia mizara ny traikefany sy maneho ny heviny ny vehivavy, saingy tsy hisy mihitsy famantaranandro hiandry azy ireo hipetraka sy hifampizara ny antsipiriam-piainany - na ataony anatin'ny bilaoginy aza izany. Tsy maintsy mitohy ny fiainana.
Ejypta: Mpanao gazety iray hafa voaroaka
Mba hanohizana ireo andiana fanorisorenana na fandroahana mpanao gazety any Ejipta, tahaka an'i Travis Randall, Philip Rizk sy Wael Abbas; dia notazonina tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Cairo taorian'ny nahatongavany i Per Bjorklund, mpanao gazety Soedoà sady bilaogera. Nosakanan'ny polisy izy ary naverina tany Prague tsy misy fanazavana; nolazaina taminy fotsiny fa "ao anatin'ny solosaina ny anaranao."
Escola sem partido : volavolan-dalàna hanao “hazalambo” ireo mpampianatra ao Brezila
Mihevitra ny mpanohana azy fa tsy tokony hiteny ankoatra ny lohahevitra efa neken'ny fianakaviana mialoha ny mpampianatra. Raha ampiharina izany dia lasa mandrara ny lesona fanabeazana ara-pananahana na ny fanehoan-kevitra momba ny fanandevozana.
Torkia: Miditra amin'ny bilaogy WordPress amin'ny alàlan'ny WordPrexy
(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Namoaka tetikasa WordPrexy.com mba ahafahan'ny bilaogy Tiorka miantrano ao amin'ny WordPress.com ny mpikatroka tao amin'ny Rindrin'Afo Lehibe any Torkia .
Namaloka ny sehatra ara-kolontsaina niroborobo tao Hong Kong ny fikatonana tamin'ny mpanoratra tantara foronina mpisinta-kevitra iray
Hatramin'ny taompolo 1950s i Hong Kong no nanana fomba nireharehana tamin'ny zavakanto sy literatiora an-tsesitany. Toe-javatra maromaro nitranga tao ho ao no ahafahana mihevitra fa misy loza mitatao ambonin'ireo.
MasoArabo: Tsia ho an'ireo Bilaogy ‘Manafintohina’
Mampirisika ireo mpanoratra bilaogy hitatitra ireo bilaogy 'manafintohina' ny Firaisamben'ny Bilaogera Arabo. Ny tanjona amin'izany dia ny hanapahana ny fihanaky ny fitaovana manafintohina anaty aterineto, izay lazain'ny firaisambe fa mandrahona ny fomba fisainantsika, ny fitsipi-pitondrantenantsika ary ny soatoavintsika.